Nalaina hiresaka sy tsy namaly ny mpanao gazety ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly momba ny raharaham-pifidianana loholona sy momba ireo fitoriana tafapetraka eny amin’ny HCC Ambohidahy.
Fihetsika azo adika avy hatrany fa mitandrina mafy sy tsy te haneho hevitra aloha izy. Manomboka mangotraka ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, na mety hohamaivanin’ny eo amin’ny fitondrana aza. Efa fikorontanana goavana ara-panjakana sy ady eo amin’ny samy andrim-panjakana ny fanamelohana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny tsy fanekena intsony ny CENI nataon’ireo vondrona parlemantera sy antoko politika tetsy amin’ny Panorama ny 17 septambra. Ny HCC no arofanina farany amin’ny resaka lalàna, ary tompon’ny teny farany sy ny didy tsy azo hivalozana. Io anefa fa manomboka miseho masoandro ny fanoherana ny fanapahan-kevitr’ity andrim-panjakana ity, izay sokajian’ny avy aty amin’ny ankolafin-kery mpanohitra ho lasa fitaovana politikan’ny mpitondra sy tsy mitsara araka ny lalàna sy ny ara-drariny. Andrim-panjakana sokajiana ho miantoka ny filaminana sy fitoniana (garant de la stabilité) ny HCC, saingy manomboka mitsingilaila ny toerany, raha halalinina. Rehefa ny HCC no tsy azo itokisana intsony, dia mety hiteraka olana sy krizy, ary efa nanomboka ny taona 1996, 2001-2002, 2009, 2018… nisiana krizy io, hoy ny mpanao politika. Samy lasa saina ny rehetra : hipasoka ny efa malama ve ny HCC amin’ny fanapahan-kevitra havoakany, sa hitsipaka ny fanapahan-kevitry ny fitondrana sa hamoaka indray ilay “Pacte de responsabilité” tahaka ny tamin’ny fitondrana HVM ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.