Nandefa taratasy tany amin'ny Troika SADC ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavan'i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona. Anisan'ny fanontaniana napetrak'ity ankolafy ity ny momba ireo iraka ho avy, hamantarana hoe aiza ho aiza izy ireo sy ny fodian'i Marc Ravalomanana ? Araka ny fanazavany ihany dia handinika momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana amin'ny fiverenan'ny filoha Ravalomanana ny Troika-SADC, hijerena izay fepetra tokony hapetraka tsy isian'ny herisetra, hoy ihany i Mamy Rakotoarivelo.
Ny 6 sy 7 oktobra ho avy izao dia mbola hisy indray fivoriana eo amin'ny Troika-SADC hijerena ny raharaha Madagasikara dia ny famahana ny krizy sy ny fodian'i Marc Ravalomanana. Araka ny vaovao ihany dia efa manana olona hasolo an'i Ruffine Tsiranana ny ankolafy Ravalomanana ary mety ho vehivavy no hitantana ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.