Raha ny 18 desambra no hifarana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena,
dia anio 14 desambra no hanapa-kevitra hanolorana amin’ny Fitsarana ambony (HCJ) na tsia ireo dosie 12 hanenjehana minisitra teo aloha, raha ny loharanom-baovao, raha tsy misy indray ny fiovana. Minisitra HVM ny ankamaroany, dosie 4 voalohany in-droa nihemotra ny momba ny Minisitra Onitiana Realy, Antheleme Ramparany, Mamy Lalatiana Andriamanarivo, Reboza Julien. Saika hisantarana ny fandetehana raha ny loharanom-baovao ary misy ny tsindry avy amina mpitondra ambony, saingy niteraka adihevitra be teo amin’ny depiote. Efa nisy ny olon’ny Minisiteran’ny mponina teo aloha 8 naiditra am-ponja ny tapaky ny volana novambra. 4,5 miliara ariary moa no nolazaina fa voahodinkodina teo analenelan’ny taona 2017-2018. Resaka famarotana ny “Villa Elisabeth” ny an’ny Minisitry ny fanajariana ny tany teo aloha Atoa Reboza Julien tamin’ny tetezamita, iray andro nialohan’ny nandraisan-dRajaonarimampianina fitondrana no voalaza fa nandeha ny afera. 1000Ar/m2 ny tany “Saint Antoin’ IV” 01ha 18a 35Ca, TN 16.884-A misy ny tanàna, 11 835 000 monja no voalaza fa vidiny. Nambarany ny volana aprily 2019 fa dosie voasonia tsy nahy nandalo teo aminy io. Ny aprily 2019 anefa no efa nidoboka am-ponja vonjimaika momba io ny Tale Jeneralin’ny fanantany teo aloha, Atoa Rasolomampionona Hasimpirenena. Ny an’ny Minisitra Anthelme Ramparany kosa mikasika raharaha boaderozy 30 000 bolabola naondrana tamin’ny faramparan’ny tetezamita. Minisitra taorian’ny fiondranan’ny boaderozy izy, saingy taty aoriana rehefa nitaky ny famerenana ireo ny Fanjakana Rajaonarimampianina, dia voalaza fa nisy taratasy voasonia nataony, milaza fa ara-dalàna ny fanondranana, taorian’ny diany tany Singapour. Ny 12 febroary 2012, nadoboka am-ponja vonjimaika noho io raharaha io Atoa Samboarizafy Rakotoarimanana Sekretera Manokan’ny Minisitra Anthelme. Ampahany ihany ireo, fa maro ireo minisitra teo aloha henjehina, toa ny Praiminisitra sady Minisitry ny Atitany Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier, Maharante Jean de Dieu,… Efa tsy eto an-tanindrazana ny ankamaroan’ireo minisitra vaosaringotra.
Sarotra ny fandidiana ho an’ny etsy Tsimbazaza satria mifandraika amin’ny politika ny raharaha. Raha handetika, dia ho santatra ambavarano ihany izany, fa mety mbola ho avy ny hafa, toy ny fitoriana momba ny boaderozy nataon’ny Filoha Zafy Albert izay hatramin’ny Filoha Rajoelina aza voatory, ny raharaha écrans plats, bonbons sucettes, doublons.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.