Politique

Dosie eny amin` ny HCJ Miandry ny fivoriana ara-potoanan` ny parlemanta


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Efa tafiakatra 15 ireo dosie voarain` ny Fitsarana avo (HCJ) izay mitsara ireo manampahefana ambony.

 

 

Am-polony kosa no efa nalefan` ity fitsarana ity teny amin` ny Antenimieram-pirenena nanomboka ny taona 2019 izay tompon` ny fanapahn-kevitra. Tsy miandry ny fivoriana ara-potoana amin` ny volana oktobra kosa vao afaka manapaka izany ny parlemanta. Marihana fa anaty fivoriana ara-potoana ihany no afaka mandinika izany ny Antenimiera roa tonta ka ny fivoriana voalohany dia natokana tamin` ny vaomiera misahana ny fandraisana fitarainana. Raha ny loharanom-baovao dia misy dosie vitsy eny am-pelantanan` ny Antenimieram-pirenena no mety hodinihana mandritra io fotoana io. Saingy araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàmpanorenana dia ny fivoriana ara-potoana faharoa dia natokana ho amin` ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Araka izany, dia mety miandry mihitsy ny fivoriana ara-potoana voalohany amin` ny taona 2021 ny fanapahan-kevitra mahakasika ireo dosie nalefan` ny HCJ eny amin` ny lapan`i Tsimbazaza.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT