Politique

Don-tandroka sy fanenjehana Vao miha manaratsy endrika ny fitondrana


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Tsy eto Madagasikara irery ihany no maharaka ny vaovao mitranga eto fa manerantany.Nahoraka tany ivelany ny momba ny raharaha Mahery Lanto Manandafy (MLM)

 satria nanaraka akaiky izany ireo mpanao gazety solontenan’ny haino aman-jery vahiny miasa eto. Na ahoana na ahoana ambaran’ny fanjakana dia miteraka sary ratsy ho azy aloha ny toe-javatra tahaka izao ; olon-tokana ary tsy basy tsy tafondro tahaka ny ataon’ny sasany atsy Afrika i Mahery Lanto Manandafy fa noho ny fanehoan-keviny dia notanana teny amin’ny mpitandro filaminana sy natao fanadihadiana izy avy eo niatrika ny fampanoavana.Vita ny resaka hoe faniratsirana ny filoham-pirenena dia ny zandarimariam-pirenena indray no nitory azy.Izay aloha ny hatry ny omaly. Mety mihevitra angamba ireo manampahefana sasany fa hampihemotra ny olona ny zavatra tahaka ireny, dia diso hevitra ianareo hoy i Mahery Lanto Manandafy raha izay no ao an-tsainareo na tanjonareo.Ary na ny mpanara-baovao koa aza dia maro no mihevitra fa diso paika ny fanjakana tamin’ity resaka MLM ity ; efa tsy maharesy lahatra ny olona intsony ny hoe mahaleotena izany ny fitsarana raha ny eto Madagasikara,Ampiasain’ny mpitondra atao fitaovana politika handemen-tsaina, eny mety hamonjana sy hamotehana mihitsy aza ireo tsy mitovy fomba fijery aminy sy sahy manatsikafona ny tsy mety ataony ny fitsarana, hoy ny resaka ny olom-pirenena tsotra. Izay dia efa miteraka fahasosorana any anaty fiarahamonina any ary mahatonga ny olona ts miraika firy intsony amin’ny fanetanana ataon’ny fanjakana dia lasa miraviravy Tanana ny vahoaka ary miha tsy to-teny ilay fanjakana.Iny eo ihany fa ny tena ratsy amin’ity resaka ity dia mampihena ny fahatokisan’ireompiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana ny tsy fisiana fitoniana tahaka izao iainana eto Madagasikara izao ; hany ka na miaato na mitarazoka ny fahazoana fanampiana.Tena mbola mila fanampiana anefa i Madagasikara. Mety hanahirana ihany ny tohin’ny tantara raha tsy manova famindra ny mpitondra.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT