Velon-taraina ny kandida ho depioten’i Ihosy, René Fulgence, manoloana ny hala-bato nitranga tao an-toerana na dia nametraka fitarainana tamin’ny HCC aza, raha ny nambarany omaly.
Efa lasa fihomehezana, hoy izy ary na ankizy kely aza mahay ilay hoe azo raisina fa tsy mitombina. Ny angatahiko amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia mba hanana fahendrena tsy misy vola sy miampy fahafoizana tombontsoa manokana mba ho maodely amin’ny taranaka faramandimby. Mangataka famerenana ny fifidianana any an-toerana ny tenany ary hampitomboana ny mpanara-maso izay tsy azo vidiana vola. Nisy ny Bianco sy rantsa-mangaikan’ny CENI ary mpanara-maso hafa izay sahiko ny milaza fa voavidy vola daholo. Nabontsin-dry zareo ny lisitry ny mpifidy ary nogadraina ny lehiben’ny vaomieram-pifidianan’ny distrika (CED) ka nanjary nisy mpifidy matoatoa. Olona ivelan’ny fokontany no nomena karatra volana martsa daholo. Nitombo maherin’ny 5000 isa ireo mpifidy, izany hoe, raha 113 000 no isan’ny mpifidy voasoratra anarana izay raha tokony ho 700 isa isaky ny biraom-pifidianana no araky ny lalàna dia lasa misy 750 na 800. Rehefa nandeha ny fanadiovana dia 112.000 isa ihany anefa no lisitra farany. izany hoe 1000 fotsiny no niala fa lasa aiza ary ilay 4000 ? Tsy tokony hisy fitarainana “azo raisina fa tsy mitombina”, hoy hatrany ny tenany ny tao Ihosy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.