Politique

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Maromaro ihany ny lisitr'ireo zavatra mbola handrasana amin'ny asa tokony ho tanterahan'ny governamanta fahefana mpanatanteraka tarihan'ny Praiministra

 

 

Ntsay Christian any amin'i distrikan'i Fandriana Faritra Amoron'Imania, hoy ny depiote Ny Aina Dina Rakotomalala voafidy tany an-toerana tamin'ny fametraham-panontaniana nentiny ho an'ny governemanta teny amin'ny CCI Ivato tamin'ny talata 26 mey 2020 lasa teo. Ao voalohany ny tsy fahampian'ny fitaovana "compacteur" hanamboarana ny RN 41 ankehitriny, ao faharoa ny tsy mbola fahatongavan'ny "subvention" tokony homena an'ireo mpampianatra Fram any an-toerana sy ny mbola tsy fahampian'ny fampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana, ao fahatelo ny tsy mbola fahatongavan'ny "subvention" hoan'ireo kaominina 5 any amin'ity distrika ity, ao fahaefatra ny mbola tsy nahatafiditra ny jirao nampanantenaina ao an-tanànan'i Fandriana, ao fahadimy ny tsy mbola fandraisana fepetra amin'ny tsy fandriampahalemana any amin'ity distrika ity ka mbola mampirongatra ny asan-dahalo izay tsy izy any an-toerana. Etsy an-kilany kosa, hoy ity solombavambahoaka ity, dia efa tonga any an-toerana fitaovana sy fanafody hoenti-miatrika ny tazomoka ary miroso tsara ihany koa ny ady atao amin'ny tsimokaretina any an-toerana ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT