Saika raikitra ny rombo teo amin’ny mpomba ny kandida tany amin’ny distrika Ambilobe faritra DIANA. Efa mirehareha fatratra mantsy ilay kandida IRD Assimo Bruno fa izy no tsy maintsy mandresy.
Nanao fanambarana anefa ny solontenan’ny vahoaka sy ny komity mpanohana ny kandida tsy miankina Zella carbonel fa nanjakan’ny hosoka tantanteraka ny fifidianana tany. Ankoatr’izay dia nilaza izy ireo fa namelaka tehamaina teratany Italianina noho ny fizahozahoana sy ny tsy fitovian-kevitra io kandida IRD io. Mbola voarohirohy amina kolikoly eo anivon’ny kaominina tantanany ihany koa izy noho ny resaka vola tsy mazava nalaina teo amin’ny tsena satria tsy mampiasa tapakila ireo mpiasa maka vola any. Izany rehetra izany no naharesy lavitra azy tamin’ny kaominina niadidiany tao Ambilobe izay midika fa efa tsy tian’ny olona ao izy, hoy ny fanambarana. Mahatoky tanteraka ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny kandida Zella Carbonel amin ny fijerena ny olana any an-toerana. Efa midina an-dalambe mantsy ny olona amin’ny fitsipahana io voka-pifidianana io.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.