Nosalorana samboady amin`ny maha ben` ny tanàna azy ireo valo mianadahy voafim-bahoaka tao anatin` ny distrikan` Beroroha omaly. T
onga tany an-toerana nametraka izany ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, Tinoka Roberto. Novakiana ny didim-panjakàna milaza azy ireo ho ben`ny tanàna ka ny prefen` Toliara no nanatanteraka izany. Antenaina ireo ben` ny tanàna ireo mba hahatontosa ny asany amin'ny fitandroana ny filaminana sy ny fandaminana ny tanana ary indrindra ho antokin` ny fampandrosoana ny tanàna iadiadiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.