Politique

Disadisa ara-bola tamina vahiny Maty voatsatoka antsy i Junnot UEM


  • Alatsinainy 17 Janoary 2022

Mpitarika ny UEM Maty nisy namono noho ny disadisa nisy taminy sy tamin'ny teratany vahiny iray izay nananany trosa i Junnot Ramananarivo, zanaky ny faritanin'i Mahajanga, tanora isany manam-pahaizana ary Sekretera

 Jeneraly ny Fikambanana UEM (Union Emergence Madagascar) izay anisan'ny mpanohana ny fitondrana ankehitriny, hoy ny fampitam-baovao omaly hariva. Voalaza fa nifanome fotoana teo Ivandry izy sy ilay teratany vahiny omaly alahady 16 janoary teo Ivandry tokony ho tamin'ny 5 Ora sy sasany hariva teo ho eo. Rehefa nihaona iny dia avy hatrany notsatohan'ilay vazaha tamin'ny antsy teo amin'ny fon'ity tanora zanaka Sofia ity ka maty tsy tra-drano. Raharaha ara-bola mombana lavanila no voalaza fa fositry ny olana, hoy ny vaovao vonjimaika. Efa voasambotry ny polisy avy eo anivon'ny"brigade criminelle" ilay teratany vahiny nahavanon-doza ary efa mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Voalaza fa mavitrika eo amin'ny fitondrana ny rivo-baovao amin'ny lafin'ny ara-politika sy fampandrosoana amin'ny faritanin'ny Mahajanga ity tanora vao erotrerony namoy ny ainy ity. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT