Politique

Disadisa anatiny Nataon’ny MAPAR fanadihadiana ny Depiote Brunelle


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Taorian’ny kiana nataon’ny Filoha, nampanantsoin’ny vondrona politika MAPAR ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa omaly. Anton’io ilay ny fanehoan-kevitra nataony manakiana ny laharampahamehan’ny fitondrana, ka isan’izany ny teleferika.

Isan’ireo voalaza fa nanatrika ny fampiantsoana azy ny Minisitry ny atitany sy fitsijaram-pahefana, Filohan’ny Antenimierandoholona, filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Governoran’Analamanga sy tomponandraikitra maromaro avy amin’ny TGV. Tsy mbola fantatra mazava ny akony tamin’ny ora nanoratana, fa raha ny efa nambaran’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD Depiote Paul Bert aloha dia nambara fa famakafakana diso toerana, ary handraisana fepetra. Tsy vao izao no niteny tsy nisorona eo anatrehan’ny fahitany sy fahatsapany zavatra tsy mety ny Depiote Brunelle, saingy tsy mahafaly ny mpomba ny fitondrana. Hahilika tsy ho IRD sy haongana tsy ho Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sa nampitandremana mba tsy hanao teny tsy dia mety loatra amin’ny antoko ? Solombavambahoaka sa solombavan’antoko ary programan’antoko no iadian-kevitra sa programam-panjakana ? Raha tsiahivina ny teniny dia tahaka izao : «Anisan’ireo teratany Malagasy tsy miombina sy mametraka fa tsy laharam-pahamehana izany teleferikan’Antananarivo izany. Ny antony dia tsotra hoe: ny distrika eran’i Madagasikara aza tsy mifandray akory, dia inona no hihazakazahana amina teleferika? Ilaina izany fa aoriana raha ohatra ka mandahatra laharam-pahamehana, ampifandraiso aloha ilay distrika satria izany izao no mahazo anay any Ikongo, tsy misy mijery tsy misy mahita satria tsy misy làlana, tsy misy làlana satria tsy namboarina…. Isika ve nahazo vola amina fiaraha-miasa amina firenena roa (bilatérale), vola trosaina dia maninona dia maninona no tazonina amina toerana iray, kanefa ilay filàn’ny firenena an’ny faritra mbola goavana sy mivelatra be. 151 tapitrisa euros tsinjaraina amin’ny distrika 119 hanokafana làlana,… Mandra-pahoviana vao tena ho tongan’ny fiara any amin’izany Midongy Atsimo, Vondrozo, Nosy Varika, Tanambao Manampotsy, Marolambo, Kandreho, Tsaratanana,…. ».
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT