Politique

Direction Collégiale Arema Misolelaka amin’i Pierrot Rajaonarivelo


  • Zoma 07 Janoary 2011

Tsy mbola milamina ny raharaha tokatranon’ny antoko Arema. Niaiky izany ireo mpikambana ao amin’ny Direction Collégiale ahitana an-dry Ralaidovy Samuel sy Vaovao Benjamin.

Miantso an’i Pierrot Rajaonarivelo izy ireo handray an-tanana ny fitantanana ny antoko sy hanatontosa ny famitranam-pihavanana noho ity farany izay mbola mitana ny andraikitry ny sekretera nasionalin’ny Arema araka ny fanamarinana nataon’izy ireo teny anivon’ny ministeran’ny ati-tany. «Nanao fanambarana tokoa ianao nandritra ny kongresin’ny Arema tamin’ny 2009 fa omenao ny filoham-bonihanitra Didier Ratsiraka ny fitantanana ny antoko raha mbola vonona amin’izany izy kanefa mitaky fandraisana andraikitra ny zava-misy ankehitriny», hoy i Vaovao Benjamin. Nanamafy ny fanohanany an’i Pierrot Rajaonarivelo ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Direction Collégiale voatendry ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita araka ny fanambarana navoakany omaly.

Voalaza amin’izany fa «niaraka ; miaraka ary hiaraka ary niaro ; miaro sy hiaro hatrany ; ny inon-kidona na inon-kihantra an’io Sekretera nasionalin’ny Arema io». Momba ny fananganan’i Pierrot Rajaonarivelo ny MDM dia nambaran’ireto lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Direction Collégiale ireto fa nahazo tsodrano avy amin’ny antoko izany ary tsy misy olana ihany koa satria tsy antoko politika akory ny MDM fa fivondronana fikambanana manohana ny teny Demokrasia marina. Naborak’izy ireo mivantana koa ny tsy fankasitrahany ny fihetsiky ny praiministra teo aloha, Tantely Andrianarivo izay ambarany ho mpitari-bato vilam-bava. «Nilaza izy raha vao nigadona fa handamina ny raharaha tokatrano kanefa manenjika ireo niady mafy tamin’ny jadona teto indray no ataony. Ka ny tsara ho azy dia ny mijanona ho teknisiana fa tsy ankasitrana mihitsy ny hidirany amin’ny fitantanana amin’ny antoko», hoy hatrany i Vaovao Benjamin. Momba ny raharam-pirenena dia manohana ny fifampidinihana amin’izao fotoana ny Arema izay miandrandra ny fidiran’ny Fiarahamonim-pirenena, ny FFKM ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fanelanelanana. Mandroso soson-kevitra ny hanokafana ny Ceni ; ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’ny hery rehetra koa ny antoko.

Momba ny governemanta manokanan dia olona avy any amin’ny amorontsiraka no tokony ho filohany sy maro an’isa amin’ireo mpikambana mba hisian’ny fifandanjana isam-paritra. «Olona avy any amorontsiraka koa no omena ny toeran’ny filohan’ny CNR. Efa olona avy eto afovoan-tany avokoa no filohan’ny FAT, ny HCC, ny CT, ny CST ary ny CMDN» raha ny hevitr’izy ireo.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT