Politique

Diplaomasia Te hanamafy hatrany ny fiaraha miasa ireo firenena vahiny


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Noho izao fahatrarana ny faha-60 taonan` ny fahaleovantena izao dia maro ireo firenena nandefa hafatra ho fiarahabana ny vahoaka Malagasy.

 

 

 

Nandefa taratasy ny masoivohon` i Korea Atsimo, monina sy miasa eto Madagasikara. Ankoatra izay, dia nambarany fa manohana ny vahoaka Malagasy amin`izao ahamehana ara-pahasalamana izao i Korea Atrsimo. Nanolotra fitaovana fitiliana moa ity firenena iadiana amin` ny COVID-19 toy ny “kit de depistage” ho an`ny laboratoara HJRA sy LA2M. Anisan` ny nandefa taratasy ho an` ny Filoha Rajoelina sy ny vahoaka Malagasy ihany koa ny filoha indianina, Ram Nath Kovind. Nambarany tao anaty hafatra fa mankasitraka ny fiaraha miasa amin`i Madagasikara i Inde, fiaraha-miasa izay mifototra amin` ny fametrahana fandrosoana sy fandriampahalemana ao anatin` ny faritry ny ranomasimbe indianina ary maniry hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin`ny firenena roa tonta. Anisan` ireo nandefa taratasy ho an`ny filoha Rajoelina amin` ny fahatrarana ny 60 niverenan` ny fahaleovantena izay nankalazaina ny 26 jona lasa teo I Guinnée Bissau, Cameroun, Suisse ary ny sekretera jeneralin` ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie).

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT