Navoakan’ny fampalalam-baovao vahiny ny faran’ny herinandro lasa teo ny fifamatorana ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy Rosia, izay voalaza fa nosoniavina ny 18 janoary 2022,
ary nihatra nanomboka ny 25 martsa lasa teo. Haharitra 5 taona, hifantoka amin’ny fiaraha-miasa ara-tafika sy ara-teknnika, ara-pitaovam-piadiana,… Hatry ny ela no nampametra-panontaniana ny fivoahana nataon’ny Minisitry ny fiarovana tany Rosia izay tsy indray mandeha, ka isan’izany ny tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Tsy nisy tatitra mazava, ary tombanana ho mifandraika amin’itony. Misy lanjany goavana amin’ny tontolo ara-jeopolitika sy ara-stratejika, ary indrindra amin’ny politika ity fifamatorana ara-tafika ity. I Madagasikara, izay nilaza fa tsy miandany na amin’iza na amin’iza eo anatrehan’ny ady any Ukraine, raha toa ka niantso sy nanery antsika ankolaka ny Vondrona Eoropeanina sy ny mpiara-dia aminy tahaka an-dry Etazonia, Japon,… Hatreto mbola miankin-doha betsaka amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika na teo aza ny nilazan-dRajoelina tamin’ny propagandy fa isika indray no hampindrana an’i Kaomoro rehefa izy no lany. Ahiana ny karazana sazy mivantana na ankolaka mety hataon’ny Tandrefana eo anatrehan’ny fiombonana antoka amin’ny Rosianina ataon’ny Fanjakana. Efa karazan’ny mihitsoka sy hanaovan’ny mpamatsy vola fomba firesaka ara-diplaomatika ny fanamboarana ny tetikasa sasany vatsiany, tahaka ny fanamboarana ny RN13. Tena mbola afaka manome toky ve i Andry Rajoelina fa ho vita hatramin’ny fiafaran’ny taom-piasany io ? Hampangy izany ny fanaovana politika ho an-dRajoelina satria veliranony ny nilazany fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny RN13. Hatao fitaovana amin’ny propagandy indray fa mila manohy 5 taona manaraka ny Filoha ahafahany mahavita ny tetikasany ? Manomboka hita taratra ny fomba fijery ara-politikan’ny Fanjakana Rajoelina, toa mitodika kokoa amin’ny Rosianina. Inona no mety ho tambiny amin’izany ? Raha ara-bola toa tsy misy antenaina firy. Akaiky ny fifidianana ve ka sanatria mitady namana hamatsy fitaovam-piadiana tahaka ilay ahiahy goavana tamin’ny 2018, fa mbola tsy teo amin’ny fahefana dia efa afaka nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika. Manjavozavo ny politikam-panjakana izay milaza tsy hiandany, saingy io ny zava-miseho raha tsy hoe hisy fandisoana ofisialy. Mety ho vidian-dafo anefa io amin’ny lafiny diplaomsia sy jeopolitika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.