Politique

Diplaomasia, raharaham-panjakana Mampisavorovoro ny resaky ny samy manampahefana


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Namoaka fampitam-baovao ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly 26 jolay 2022, nilaza fa tsy nisy mihitsy ny fotoana nanaovan’ny Minisitra Atoa Richard Randriamandranto tamin’ny filazam- baovao

RFI (Radio France International), « interview » na fanadihadiana taminy na teny nataony, izay noraisin’ny mpanao gazetin’ny Al-watwan ao Comores Mchangama Oubeidilah, nampifandraisiny tamin’ny fanadihadiana nataony tamin’ny Mpitondra tenin’ny governemanta Kaomorianina. «… Moroni condamne avec force les propos du Minisitre Malgache des Affaires étrangères, publiés sur RFI », hoy ny Al-watwan. Mikasika ny fametrahana an’I Kaomoro ho lisitra mena amin’ny sidina miditra sy mivoaka an’I Madagasikara io. Nodisoan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny fa tsy niteny sy niresaka an’io ny Minisitra, ary notondroin’ny fiadidian’ny diplaomasia Malagasy ho fanodinkodinam-baovao na vaovao diso, izay mety hanohintohina ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny tany roa tonta moa io, ka tonga hatrany amin’ny hoe : hitory araka ny lalàna manan-kery. Raha ny lahatsoratra niparitaka, ny Minisitry ny fitaterana no hita ao anatin’ny Al-watwan izany hoe: mety nisy ny fanitsiana nataony. Tsy niandry ela ihany koa ny RFI tetsy ankilany, namoaka sy nampahatsiahy, fa ny Minisitry ny fitaterana Atoa Rolland Ranjatoelina no nanaovan’izy ireo fanadihadiana. Naneho ny Minisitry ny fitaterana Atoa Rolland Ranjatoelina fa « Ny « lignes vertes » no tsy mametraka olana amin’ny lafiny fitaterana, indrindra fa ny fanondranana volamena. Ankehitriny, i Comores dia mbola ao anatin’ny « ligne rouge»,… », raha ny voasoratry ny RFI. Raha ny tena marina izany, dia nisy tokoa ilay teny nataon’ny manam-pahefana Malagasy, saingy tsy ny minisitry ny raharaham-bahiny no niteny azy, fa ny minisitry ny fitaterana. Marina fa fiandrianam-pirenena no resaka kanefa tsy azo nalamina tamin’ny alalan’ny fandisoam-baovao na « démenti » ve mba tsy niitarany lavitra be tahaka izao ?
MIKORONTANA
Ny olana tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, dia zavatra tsy noteneniny no nambara noteneniny, kanefa nambara fa manohintohina ny fifandraisana ara-diplaomatika. Raha ny Minisitry ny fitaterana ve no niteny an’ilay izy dia tsy nisy ny olana ara-diplaomatika ? Tsy afaka nanamarina izay tena nosoratan’ny RFI ve ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny mba tsy hiononana fotsiny amin’ny voalazan’ny Al-watwan ? Tsy nisy ihany koa ve ny fifampiresahana eo amin’ny samy mpikamban’ny governemanta amin’ny resaka saropady mety misy ho akony amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta sy ny fiandrianam-pirenena ? Midika sy mihariharihary, fa mandringa sy mikorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana, izay matetika hisehoana tsy fanjariana. Etsy andaniny, tsikaritra ho mahery vaika ny tsikera ataon’ny fampahalalam-baovao Frantsay ny fitondrana Malagasy, izay heverina fa misy antony ara-politika sy ara-diplaomatika, ary mety misy fampijabahana mihitsy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT