Politique

Diplaomasia Miharendrika hatrany ny Fitondrana


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Mihasarotra hatrany ny toeran’ny Fitondrana Malagasy na ho an’ny politika anatiny na ny ivelany. Ny ato anatiny, ambony ambany, tsy misy politikam-pitantanana anatiny tsy mazava,

ny fifandraisana iraisam-pirenena tsy marin-toerana. Ekena ny fisian’ny fomba firesaka ara-diplaomatika toy ny nataon’ny Vondrona Eoropeanina hoe: manga ny lanitra, eo anilan’I Madagasikara hatrany izy ireo, saingy ny ao ambadik’izay toa zavatra hafa. Ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina rahateo moa namoaka vava be tamin’ny propagandy fa tsy ilainy ireo mpampindram-bola mahazatra, fa mampahantra, hany ka toa tazonin’ny olona amin’izany, ny sonia no betsaka fa ny famatsiam-bola toa mitete, hiviny,… Ny tetikasa goavana tsy misy mpamatsy vola. Ny fanomezan-toky no betsaka, fa ny sary sy ny zava-misy dia maneho, fa tsy marin-toerana ara-pitantanana sy ara-diplaomasia ny Fanjakana. Isan’ny nanaitra tao anatin’ny tatitry ny Vondrona Eoropeanina taorian’ilay dinika politika andiany fahafolo ny hoe: “…l’Union Européenne et Madagascar doit tenir compte des contraintes du present et des incertitudes du futur », izay maneho fa tsy maintsy mijery ny olana ankehitriny sy ny ho avy mbola tsy misy antoka mazava. Toa mifanohitra tanteraka amin’ny filazan’ny Filoha fa tsy misy krizy politika eto, efa afaka miatrika ny fahatarana ara-toekarena I Madagasikara. Ny anio aza anefa tsy hay hoe ahoana, ny ampitso mbola baraingo, ny politikam-panjakana misavoamboana,… Ny tsindry amin’ny fifidianana madio sy tsy mitanila ary andraisan’ny rehetra anjara manginy fotsiny. Ara-diplaomasia hatrany, ireny niaraha-naheno ireny ny fanambaran’ny Masoivoho Frantsay ny 14 jolay teo, niantso ny Mpitondra Malagasy haneho ny fiandaniany mazava momba ny ady any Ukraine. Ny antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) niala tao anatin’ny fitondrana, nanambara mazava fa manameloka an’I Russie ary miombon-kevitra amin’ny Eoropeanina. Milaza ho mbola miara-dia amin’ny Fitondrana Rajoelina na tsy ao anaty governemanta intsony aza. Manao fitan-droa ve Fanjakana Rajoelina, ka misy ny elatra mody tsy miandany ary misy ny niandany ka izay iray avotra no manavotra izay latsaka aoriana?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT