Ny fetim-pirenena dia midika fa tsy ambany ziogan’ny mpanjanatany intsony isika, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika ABA, Dany Rakotoson.
Fahitako ireny matso ireny dia fanehoana finiavana hamerenana ny hambompom-pirenena. Nahavita naneho ny filoham-pirenena fa anaty fotoana fohy dia afaka mahavory fitaovana hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny mampalahelo anefa dia ny fisian’ny maty sy naratra. Manantena izahay fa hosaziana izay tompon’andraikitra voalohany tamin’ireny fikarakarana ireny. Tsy voasazy tsinona ny tamin’ny herintaona dia namerina ny tamin’ity. Misy amin’ireo vahiny nasaina izao no mety hilaza hoe “izahay tsy hanatrika ny fetim-pirenen’ireo” amin’ny herintaona satria mila tsaroana fa izy ireny koa dia manana fahatsapana andraikitra ao anatin’ny toe-javatra toy ireny, hoy hatrany ny tenany. Manahy fiantraikany amin’ny diplaomasia Malagasy, araka izany, ity antoko ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.