Politique

Diniky ny samy Malagasy Mitady vola ny FFKM


  • Zoma 12 Oktobra 2012

Betsaka ny asa fanelanelanana natao na avy amin’ny samy Malagasy na avy any ivelany fa hatreto aloha dia nandamoka avokoa ireny.

 Latsaka an-katerena lalina ny firenena, tato anatin’ny efa-taona latsaka kely izao. Anisan’ny andrandrain’ny rehetra, ohatra, ny mety ho asan’ny iraky ny SADC kanefa na ity vondrona ity aza toa mandroso mihemotra. Tsy vitsy koa ireo nanao antso avo tamin’ireo fikambanana tsy miankina sy fiarahamonim-pirenena saingy nitsefotra sy voakina daholo aloha hatreto. Tato ho ato dia betsaka ireo niantso ny FFKM, izay raiamandreny ara-panahy, heverina fa ho to teny amin’ny Malagasy. “Efa manomboka ny fanomanana ny dinika izahay amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja raha nanontaniana momba ny fizotry ny fikarakarana ny fihaonambe eo amin’ny samy Malagasy hamahana izao krizy tsy manam-pahataperana eto amin’ny firenena izao. Araka ny fanazavany dia tsy tokony ho ela intsony ny fihaonambe. “Tsy ho dilan’ity taona ity”, hoy ny filohan’ny FJKM izay nilaza fa “tsy afaka hiteny ny tetiandro” noho ny fahasarotana eo amin’ny fotoanan’ireo filoham-piangonana satria samy manana ny programany sy ny andraikiny avy ireo filoham-piangonana tsirairay eo anivon’ny FFKM.

Nambarany koa fa anisan’ny dinihin’ny FFKM ao anatin’izany fanomanana izany ny fihaonana ny resa-bola. Lalam-bola hafa mihitsy no heverin’izy ireo hatao, na mitady hevitra eo anivon’ny fiangonana na eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Efa manana ny heviny ny SADC, hoy ny mpitandrina Rasendrahasina. Tsy mety kosa anefa raha ny fanjakana no hamatsy vola ny FFKM. “Raha vao ny fanjakana no hamatsy vola ny FFKM dia hitovy amin’ny FFM eo koa”, hoy ihany ity raimandreny am-panahy ity. Nomarihiny fa ho sarotra ny resaka raha vao ny fitondrana ankehitriny no hamatsy na hanome vola ny FFKM fa tsy maintsy hitady hevitra hafa ireo raimandreny ara-panahy. Raha ny fanazavany ihany dia tsy misy afaka hiteny momba ity dinika karakarain’ny FFKM ity raha tsy ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ihany dia ny avy amin’ny FJKM, ny EKAR, ny EEM ary ny FLM.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT