Politique

Dinika Santatra, Conférence Nationale, FFM Ry zareo ihany


  • Talata 02 Oktobra 2012

Navoakan’ny komity mpisafidy ho fanta-bahoaka teny amin’ny Hotely Panorama omaly ny anaran’ireo mpikambana 44 handrafitra ny FFM hanao fampihavanam-pirenena.

 Miisa 36 ny lehilahy ary 8 ny vehivavy, ka eo anelanelan’ny 40 ka hatramin’ny 55 taona ny 18 amin’izy ireo raha mihoatra ny 55 taona ny 26. Marihina fa miisa 23 ireto komity mpisafidy ireto izay avy amin’ny Faritra 22 no mpikambana ao anatin’ny fiarahamonim-pirenena avokoa. Nolazain’izy ireo fa nandritra ny dimy andro no nihidy tao anaty lakambe izy ireo ary nanao ny fisafidianana tamin’ireo antontan-taratasy miisa 981 voaray. Dingana telo lehibe no nandalovan’ireo dosie tsirairay avy ka ny farany dia ny hoe mendrika ny hampihavana ve izy ireo ? Nisy ihany koa anefa araka ny voalazan’Atoa Rakotoniasy, ny komity mpanara maso anatiny nijery akaiky ny asa nataon’ireo komity mpisafidy.

Nambaran’ireto komity ireto ihany fa tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ireo vao lazaina fa mpikambana feno. Ahiana kosa anefa ny tsy fisian’ny mangarahara izay nodradrain’ny komity mpanomana sy ireto mpisafidy ireto satria dia mbola tafiditra ao anatin’izany hanao ny fampihavanana izany ireo mpikambana tao anatin’ny komity mpanomana izay efa fantatra ny fironany toa an-dry Ramarolahy Albert, Pasitera Ramino Paul, Pasitera Nestor Razafindramanitra, Ratoa Lalao Randriamampionona... Misy efa tany amin’ny Dinika Santatra, Conférence Nationale no heno ny anarany, dia izao lasa mambra FFM indray na dia efa voaporofo izao aza ny tsy fahombiazany.

Ankoatra izay, dia sady mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra araka ny andininy faha-28 ny mambra sasany no mpikambana amin’ny andrim-panjakana mpampihavana koa araka ny andininy faha-25 amin’ny tondrozotra. Alaim-panahy ihany ny tena hilaza hoe sao dia mba resa-bola kosa zany e ! Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety ny antony nahatonga ireo olona ireo hiditra hanao ny fampihavanana ny komity mpisafidy dia nilaza fa tsy misy sakana ho an’ireo mpanomana tsy hilatsaka. Voalaza fa 981 ny dosie voarain’izy ireo saingy ny mahagaga, dia tsy nisy mihitsy olon-kafa azo nasolo ireo satria, dia azo heverina sahady ny tsy fisian’ny mangarahara teo amin’ity fifidianana komity ity. Heverina mantsy fa kely loatra ary tsy ampy raha tao anatin’ny dimy andro no nandinihina tsirairay ny taratsy miisa 981 nampadalovina dingana telo araka ny voalaza. Endrika tsy vaovao amin’ny vahoaka ihany koa ireo mpikambana nifidy sy nisafidy ka tsy mahagaga raha hisy ny fiheverana fa tsy mangarahara ny nanaovana izany.

Nilaza ho tompon’andraikitra tanteraka amin’izay rehetra mety hiseho aorian’ny fivoahan’ity anarana ity anefa ireo komity mpisafidy, na dia tsy misy aza ny anarana fiandry raha toa ka mety hoeken’ny sasany ireo anarana ireo, indrindra ny fanjakana izay hanome alalana izany amin’ny didy, satria efa nisy ny nilaza fa tsy mety ny fomba fananganana ny FFM, anisan’izany Atoa Rasolo André, avy amin’ny CNOSC. Raha toa ka tena fampihavanana tokoa no heverina hatao dia tokony ho olom-baovao no handrafitra izany satria hita fa tsy miova ny fanaovana politika eto Madagasikara fa ny eo ihany no mivadibadika ka mahalasa saina ireo mpanara-baovao.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT