Ao anatin’ny fanomanana hatrany ny andiany fahavalo amin’ilay dinika politika eto Madagasikara izay tohanan’ny vondrona eoropeanina dia anjaran’ireo sehatra
tsy miankina indray no natonon’ity vondrona iraisampirenena ity omaly. Isan’ny nanotrona izany moa ny ambasadaoron’ny vondrona eoropeanina, Giovanni Di Girolamo, ny ambasadaoro Alemana, Michael Derus, ary ny ambasadaoro Frantsay, Christophe Bouchard. Toy ny mahazatra moa dia tamin’ny alalan’ny “visioconférence” no nifampidinihana. Manodidina ny 40 isa ireo nandray anjara ary nahitana avy amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, rary, fizahantany, tekinolojia, banky, sy maro samihafa. Tanjona, raha ny fanazavana, ny hamantatra avy hatrany ny fiantraikan’izao krizy ara-pahasalamana izao ho an’ireo sehatra tsy miankina. Inona no ilaina maika hanarenana ny fahavoazana? Ahoana no hahafahana mametraka toekarena miarina sy maharitra eto amin’ity Madagasikara ity aorian’izao? Isan’ny fanontaniana lehibe napetraka ireo ary noraisin’ireto mpiara-miombon’antoka ireto, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza ny fahavononany koa ireo mpiara-miombon’antoka ny handray ireo sosokevitra ary hamatsy izany arakarak’izay hita fa tena filana maika tokoa ho an’ireo sehatra tsy miankina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.