Politique

Dinika eny amin’ny Le Hintsy Maneho ny heviny Ra-Merci


  • Zoma 14 Janoary 2011


“Tany Afrika Atsimo, ny aprily 2010, no efa nisy ny hevitra amin’ny tokony hifanatonan’ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana. Tamin’izay fotoana izay anefa dia nanda ny fihaonana manokana Atoa Marc Ravalomanana fa nitaky mandrakariva ny tsy maintsy hifanatrehan’ny ankolafy rehetra amin’izay dinika hatao”, hoy Ra-Merci na Ratoebolamanana Merci tao amin’ny radio Fréquence Plus omaly. Koa ankehitriny raha misy indray ny dinika eny amin’ny Le Hintsy, ifanaovan’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny alalan’ny Tiako I Madagasikara sy ankolafy Rajoelina amin’ny alalan’ny TGV sy ny UDR-C, dia nambaran’ity depiote Arema tao Antsirabe ity fa “lesoka ihany raha misy ezaka hanilika ny ankolafy roa (ankolafy Ratsiraka sy ankolafy Zafy Albert)” ary “mety hanahirana izay zavatra izay”. Notsiahiviny fa ankolafy efatra no nahatonga ny fianakaviambe niditra tamin’ny famahana ny krizy eto koa raha misy ankolafy ailika dia nofinofy ny hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena araka ny heviny hatrany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT