Politique

Dina Jeanne “Aoka ny mpitandro ny filaminana handini-tena eo anatrehan’izao zava-mitranga izao”


  • Zoma 28 Septambra 2012

Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Rtoa Dina Jeanne. Efa loholon’i Madagasikara izy ary mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’izao fotoana. Maro ny andraikitra ambony efa notanany, efa filohan’ny oniversiten’i Toliara izy. Nakana ny heviny ny tsy fandriampahalemana any atsimo, ny raharaha Tiako i Madagasikara, ny fifidianana sy ireo sesitany politika. Eo koa ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy. Tafatafa.

 Tia Tanindrazana (TT) : Mavaivay tokoa ny asan-dahalo any atsimo. Ianao anefa toa tsy aharenesam-peo mihitsy na dia olobe sy CST avy any aza ?

CST Dina Jeanne (DJ) : Ilay miteny fe miteny fotsiny tsy dia mety amiko loatra saingy rehefa anontaniana aho dia hamaly. Raha ny fahitako azy dia toa vay vaky io resaka tsy fandriampahalemana io rehefa niotrika tao. Antony roa no mahatonga ahy hilaza izany. Voalohany, ny fahasorenana ateraky ny korontana politika lavareny eto. Ny faharoa indray dia noho ny afitsoky ny mpitandro ny filaminana sasany, fa tsy izy rehetra akory, izay mitaky vola be tsy hita noanoa mahatratra 2 ka hatramin’ny 3 tapitrisa Ariary amin’ny tantsaha rehefa midina any ambanivohitra ry zareo. Maro ny olona tonga mitaraina aminay raiamandreny ka mangataka vonjy eo anatrehan’ny fisian’io fanaparam-pahefana io. Mahita an’io koa ny mpangalatr’omby dia manararaotra satria votsotra izy ireo raha vao mandoa vola. Rehefa nokobonina elabe tao ilay hatezerena dia io hitantsika vaky io. Inoako fa marina mihitsy koa ny tenin’ny zalahy iray tao Betroka farany teo izay nilaza fa adinay sy ny zandary izy ity. Tsy ireo zandary namoy ny ainy izay misy zanaky ny rahavaviko ny iray akory no manao ilay fanararaotana fa ny sasantsasany. 

TT : Nilaza ny profesora Tsiavaliky izay zanaky ny faritra atsimo koa fa tokony haverina andakazera ny miaramila satria efa famonoana taranaka no misy amin’izao fa tsy fanenjehana dahalo intsony. Miombon-kevitra aminy ve ianao ?

DJ : Mafy be loatra izany teny hoe avereno andakazera izany ny miaramila. Ialako tsiny amin’ny zandary rehetra, araka ny efa nolazaiko teo, fa vitsivitsy mahery vaika no manao ilay fanararaotana. Aoka ny mpitandro ny filaminana handini-tena eo anatrehan’izao zava-mitranga izao sao mba misy fahadisoany koa mahatonga izao. Raha tanàna mantsy no dorana dia iaraha-mahalala fa misy zaza amam-behivavy tsy manantsiny ao. Hitako ho mafy be loatra kosa izany famaizana izany amin’ny maha reny Malagasy ahy. Na izany aza dia tsy hisalovana ny asan-dry zareo aho satria hainy io. 

TT : Manao ahoana ny fahazotoan’ny olona any atsimo amin’ny resaka fifidianana, indrindra manoloana io tsy fandriampahalemana io ? 

DJ : Rehefa mafy be tahaka izao ny fiainana dia tsy mieritreritra izany intsony ny olona fa ny hohaniny isan’andro ny fandriampahalemana no manahirana azy. Ny olona nahita fianarana sy manamanana angamba mety ho mieritreritra fifidianana fa ny sarambabem-bahoaka tsy mbola any ny sainy. 

TT : Eo amin’ny resaka politika, iza marina no tena tompon’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) satria iadivanareo ekipan-dRaharinaivo sy ny tarika Rakotoarivelo io ? 

DJ : Tsy afa-milaza aho hoe iza marina moa no tompon’ny TIM. Raha ny fahafantaran’ny olona ahy dia tsy mba tia fifanomezan-tsiny na fanenjehana izany. Raha mbola azoko atao dia ilay teny nataon’i Jesosy teny an-tendrombohitra no raisiko hoe: “Sambatra izay mpampihavana fa izy no atao hoe zanak’Andriamanitra”. Inona moa no nahatonga iny fiaraha-miasa amin’ny fitondrana iny ? Raha izaho manokana aloha dia nihevitra aho fa iny no nahavaha ny olana kanefa moa tsy nankasitrahan’ny filoha Marc Ravalomanana ilay izy ary tena nalahelo mihitsy aho satria noheveriko hoe zavatra niarahan’izy mianaka nifandinika ilay izy. Kinanjo anefa tsy izay ilay izy. Tsy nanenina izaho na izany aza. Momba ilay fanontanianao dia tsy hiteny mihitsy aho hoe iza no tena tompon’ny TIM satria araka ny fantatrareo dia nametraka taratasy eny anivon’ny ministeran’ny atitany ny TIM (Raharinaivo) misy anay. Fantatsika koa anefa fa ny filoha Ravalomanana no namorona io antoko io ka ahoana no ilazana fa tsy TIM intsony izy ? Raha ny hetahetako manokana dia ny hiraisan’io TIM io indray. Miara-miasa tahaka ny taloha.

TT : Misy amin’ny TIM Raharinaivo toa an’i Vyvato Rakotovao ohatra no lasa mpanohitra mafy an-dRavalomanana. Ahoana kosa ny hevitrao manoloana ny fiverenany sy filatsahany hofidiana ary ny hitantanany indray ny TIM ? 

DJ : Anisan’ny olana amin’izao tokoa ny resaka filatsahan’izy mianaka. Izaho indray dia mihevitra fa izy ireo ihany no manana ny vahaolana amin’izay. Raha mifanaraka izy ireo hoe samy hilatsaka dia ho hita eo ny vokany. Raha mihevitra kosa ry zareo fa hiteraka olana indray izay dia azy mianaka ihany koa ny fanapahan-kevitra. Tsy manan-kevitra manokana momba an’io aho. Momba ny fiverenan’ny sesitany dia iarahantsika mahalala fa afaka nody ny filoha Didier Ratsiraka sy ry Maharante Jean de Dieu. Malagasy tahaka azy ireo koa ny filoha Marc Ravalomanana ka tsy tokony hatao olana ny fiverenany eto. 

TT : Misy anie ireo milaza fa tsy mbola fotoana tokony hiverenany izao fa miandry ny fipetrahan’ny Repoblika faha-4 ? 

DJ : Aleo aloha hojerentsika ny tontolo ara-politika e ! Ny ahy ny tiako dia ny hodiany ampahatoniana ka rehefa hitantsika fa mahatony an’i Madagasikara ilay fepetra dia tsy hitako izay olana. Enga anie Andriamanitra hanome antsika fahendrena sy fahatoniana ahafahany miverina na alohan’ny fifidianana izany na aoriany.

TT : Handray anjara amin’ny fifidianana indray ary ve ianao ? 

DJ : Tsy mbola hiteny aloha aho izao satria mbola te hijery ny fandehan-javatra. Aleo aloha hiandry ny fitoniana. 

TT : Hararaotina koa ny anontaniana anao momba ny fiainan’ny oniversite ao Toliara amin’ny maha vadin’ny filohan’io oniversite io anao. Mizotra ara-dalàna ve ny fampianarana ? 

DJ : Ankoatra ny maha vadin’ny profesora Dina Alphonse ahy dia efa filohan’ny oniversiten’i Toliara nandritra ny fotoana naharitra ny tenako ka mahalala tsara ny fandehan-javatra. Tena nalaza be tokoa ny olana tao an-toerana teo aloha teo noho ny fanaovana “otage” mpampianatra sy mpiasa vitsivitsy nataon’ny mpianatra. Amin’izao fotoana kosa dia milamina ao ary mianatra avokoa ny mpianatra. Maro koa ny zava-bita satria mitsangana ny “Faculté de Médecine”, ny “IST en Agronomie”, ny fampianarana Informatika iarahana amin’ny Oniversite Fianarantsoa. Ao koa ny fananganana Oniversite any any Fort-Dauphin sy ny tetikasa hametrahana Oniversite any Menabe. Ankoatra izay dia efa misy laboratoara ao amin’ny hopitaly hiasan’ny mpianatra mpitsabo. Marihiko fa tsy misy izany milamina lalandava izany eny amin’ny Oniversite satria tanora manampahaizana no eny ka misy hatrany ny hetsika madinidinika. Tsy atao mahakivy anefa izany.

TT : Amin’izao ve izany efa voaloa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny tambinkaraman’ny SECES ao Toliara ?

DJ : Hararaotiko eto no miteny amin’ny ray aman-dreny hoe fanampiana anie ny vatsim-pianarana fa tsy iny volakely iny akory no hiantoka ny fiainan’ny mpianatra. Noho ny tsy fananana mantsy dia ny saran-dalana ihany no hiantohantsika ka tena sahirana ny mpianatra raha vao tonga ao Toliara. Ny volam-panjakana anefa tsy azo eo no ho eo ka izay no tsy andrin’ny ankizy satria ny kibo tsy mba lamosina. Avy amin’ny fanjakana foibe no mahatonga ireny fahatarana ireny fa tsy avy amin’ny Oniversite akory. Koa rehefa mandefa ny zanatsika hianatra isika ray aman-dreny dia mba vatsiantsika tsara izy ireny mandrahatonga ny vatsim-pianarana.

TT : Nisy fotoana ny fikambanana Masikoro ao Toliara namoaka fanambarana manohana anao. Fa inona no zava-nitranga ? 

DJ : Misy tokoa ny fikambanan’ny Masikoro. Sanatrian’ny vava haladin’ny lela tsy resaka fanindraindrana foko izany fa tena tafiditra amin’ny maha Malagasy antsika ny fahasamihafan’ny fiaviana. Izaho raha niditra amin’io fikambanana io dia tena te hanentana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy satria manerana an’i Madagasikara dia malemy sady maivana izany. Isaorako eto ireo mpitarika ny fikambanana satria tsy nanakisaka ahy ry zareo fa vao mainka aza nanohana raha misy ny andraikitra noraisiko teto amin’ny firenena. Kanefa moa “ny saonjo iray lohasaha tsy ilazaon’izay mamarara” ka nisy nilaza tamin’ny Masikoro fa ny vehivavy, hono, tsy mandray fitenenana eo anatrehan’ny vahoaka. Nanohatra izany ny fikambanana Masikoro izay nilaza fa tsy mendrika intsony izany fisainana izany amin’izao. Izay no nahatonga iny resaka iny satria nihevitra ny fikambanana fa raha tsy niteny ry zareo dia toa manaiky ilay fanambarana nataon’io olona io.

TT : Manao ahoana ny fahitanao ny hoavin’ity firenentsika ity ?

DJ : Sarotra ! Fa enga anie isika Malagasy hahatsapa fa isika rehetra dia voakasiky ny zava-mitranga eto, indrindra isika mpanao politika. Manana andraikitra sy iraka isika hanasoa ity firenena ity fa tsy famenoana paosy na fitadiavan-tseza ny fanaovana politika. Tiako hozaraina amintsika koa ny tena maha zava-dehibe ny fampianarana. Mampitomany anie ny mahita any ambanivohitra any ankizy kely mipetraka amin’ny tany ao am-pianarana, ny mpampianatra koa anefa tsy mihaja ara-pitafiana no tsy modely amin’ny fahazotoana miasa. Ny fanabeazana ihany no vahaolana maharitra. Na inona na inona ataontsika ka mbola bado ny firenena dia tsy ho tafita ny hafatra momba ny fampandrosoana. Amin’ny fifidianana eo izao dia izay mahay vava no hofidian’ny olona. Asio lanjany ny fampianarana ary aoka ianareo tomponandraikitry ny fampianarana mba hijery ny tombontsoam-pirenena aloha voalohany indrindra. 
 
Nangonin’i Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT