Politique

Dila ny iray volana sy tapany Aiza ilay ozinin-tsakafo hoe efa anaty sambo ?


  • Zoma 20 Novambra 2020

Fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hisiana

 


ozinina lehibe mpamokatra sakafo hapetraka any Atsimo. Ny 4 oktobra tamin’ny fandaharana manokana nataony niainga tany Taolagnaro no nilazany, fa afaka iray volana sy tapany eo, dia efa ho tonga, ary efa any anaty sambo ny ozinina Nutriset, fanomezana avy amin’ny Fondation Merieux miara-miasa amin’ny fikambanana Fitia, hoy i Andry Rajoelina. Feno omaly ny iray volana sy tapany katroka, saingy mbola tsy re aloha ny fahatongavany. Nilaza ihany koa I Andry Rajoelina, fa hiverina hipetraka any Atsimo afaka tapa-bolana, saingy efa dila lavitra izany. Etsy ankilany, omaly ny dinika tamin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola toy ny Fandaharan’asa maneran-tany momba ny sakafo amin’ny fitadiavana vahaolana sy ny hoenti-manana ara-bola any Atsimo. Azo antoka fa tsy maintsy hitondra ny anjara birikiny ny sehatra iraisam-pirenena, izay tsy noho ny ezaky ny fitondrana veliely fa kosa amin’ny maha lafiny maha olona iaraha-mahita. Tsy manana vahaolana mahomby sy mahaleo tena avy aminy ny Fitondrana Rajoelina. Tsy afaka tonga dia mandray andraikitra mafonja sy mahomby ary maharitra ny Fanjakana Malagasy, fa tsy maintsy miandry ny tohana sy fanampiana avy any ivelany. Azo antoka fa ho avy ny tohana, ka ny Mpitondra Fanjakana indray no ho lohalaharana, hidera tena, hanao serasera mipoapoaka, hilaza fa tsy mbola nisy nanao tao anatin’ny 60 taona,… Sanatrian’ny vava toa lasa fitaovana hampalazana tena ny toe-javatra miseho any Atsimo indraindray.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT