Politique

Dila ny 8 andro Hanenjana ny Zanak’i Dada


  • Alakamisy 11 Oktobra 2012

Raha tsy misy filoham-pirenena tena lanim-bahoaka eto Madagasikara dia ho korontana toy izao foana ny eto satria tsy misy to teny eto, hoy ny CST Rakotonomenjanahary Jean Ernest tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly.

 Na inona inona hataon-dRajoelina dia tsy hisy filaminana izany eto, hoy ity solombavambahoakan’i Lalangina teo aloha ity nanamafy. Tetsy andanin’izany dia nanipy teny momba ny ady an-trano ataon’ny TIM Raharinaivo ny CST Rakotomanjato Rodin. “Aoka tsy hotononina ny anaran’ny TIM fa tsy anareo io. Mijapy masinina dia mamita-bahoaka ianareo”, hoy izy. Nambaran’ity Depioten’Arivonimamo teo aloha ihany koa fa “rehefa dila ny valo andro dia ho henjankenjana ny lalao, zavatra hafa indray no hitondrana ny tolona”. Raha ny vaovao nampitainy ihany dia nisy basy amina kaontenera tonga tao amin’ny seranan’i Toamasina sy teny Ivato. Tsy fantatra izay ilana ireo, hoy izy. Ny mahavariana dia ny basy miparitaka eto an-toerana aza tsy voafehy, tsy voaisa hatramin’izao kanefa dia mampiditra izany fitaovam-piadiana mahery vaika izany indray ny fitondrana. Momba ny resaka an-gazety nilazana fa tsy hita i Marc Ravalomanana dia nambaran’i Guy maxime Ralaiseheno fa olona manana ny maha izy azy ny filoham-pirenena ary dia mbola mipetraka amin’izay laharam-boninahitra izay izy any Afrika Atsimo.

Tsy mitombina ny filazana izany, hoy izy satria ny fandehanany amin’ny maha filoham-pirenena azy dia tsy maintsy fantatra ary ny fiarovana azy dia mbola mitandro izay hatrany. Momba ny Troika sy ny SADC indray dia nambarany fa ny Troika no misahana ny filaminana anatin’ireo firenena 16 mpikambana ao amin’ny SADC. Izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny SADC. Ifandimbiasan’ireo firenena mikambana ao amin’ny SADC ny fitantanana ny Troika ka nisy fotoana i Afrika Atsimo no nitondra azy ary amin’izao kosa dia i Tanzania. “Misy antony matoa nahemotra ny dian’i Simao izay tokony hanao tombana eto amintsika”, hoy i Guy maxime Ralaiseheno.

Efa niaraha-nahafantatra, hoy ihany izy ny tsy fahombiazana nentin’izany lehilahy izany tamin’ny fanelanelanana natao teto amintsika. Maro koa ny fitoriana nataon’ny ankolafy Ravalomanana momba an’ity teratany mozambikanina ity satria niray tsikombakomba tamin’ny FAT ka tsy azo hanankinan-draharaha. “Tsy hiova amin’ny teniny ny SADC raha niteny fa ao anatin’ny 30-60 andro no hanaovana tombana ara-teknika amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana”, hoy ihany i Guy Maxime Ralaiseheno. Noho izany, araka ny fanazavana dia tsy maintsy tanterahina ato anatin’ny valo andro izany ary i Marc Ravalomanana tsy maintsy ho tafody ao anatin’izay valo andro izay koa, araka ny fanazavana ihany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT