Politique

Didier Ratsiraka mivady Nampatsiahy ny 30 desambra 1975


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Nanolotra am-panajana ny fiarahabana feno fitiavana ny vahoaka malagasy

 

 

manontolo amin’izao ankatoky ny asaramanitra 2021 izao omaly ny filoham-pirenena teo aloha mivady, Didier sy Celine Ratsiraka. Mivavaka amin'ilay nahary tsitoha mandrakizay hitahy sy hiaro ity tanindrazana malalantsika ity, hoy izy ireo. Misy ankamantatra kely ho antsika mianakavy raha sitrakareo. Mba tadidinareo ve Inona ny zavatra nitranga tamin’ny 30 desambra 1975? Inona ny zavatra niseho tamin’izany teny Ambohitsorohitra? Sa dia Efa nalevin’ny tantara izany datin'andro izany? Raha tsy mahadiso tompoko dia ity ny valiny. Teraka tamin’io andro io ny repoblika faharoa teto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka niaraka tamin’ny satan’ny revolisionina sosialista Malagasy sy ny lalampanorenana ary ny mpanomponareo, Didier Ratsiraka. Tsetsatsetsa tsy aritra, tsy mbola nanongam-panjakana na naka fitondrana amin’ny alalan’ny herisetra i Didier Ratsiraka fa tamin'ny alalan'ny fifidianana hatrany no nahatongavany teo amin’ny fitondrana, fifidianana mangarahara. Koa mamela ahy ianareo vahoaka malagasy malala hamerina etoana ny fisaorana mitafotafo atolotra anareo vahoaka malagasy nifidy anay nametraka fitokisana tamiko. Manaova fety sambatra, hoy hatrany ny filoha teo aloha, Didier Ratsiraka.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT