Politique

Didier Ratsiraka Hiverina an-tanindrazana amin’ity janoary ity


  • Talata 11 Janoary 2011

Araka ny re indray izao dia mialoha ity faran’ny volana janoary diavina ity no hiverina eto Madagasikara ny amiraly Ratsiraka, rehefa sesitany nandritra ny valo taona ka nipetraka tany Parisy Frantsa tany.

Ireo kamarady Arema eto an-tanàna dia efa miomana fatratra amin’io fiverenan’i Deba an-tanindrazana io. Araka ny loharanom-baovao dia efa salama sy tsy misy atahorana intsony ny zanany lahy, ary ao anatin’ny fialan-tsasatra amin’izao fotoana. Atoa Ratsiraka sy ramatoa vadiny ihany koa dia mbola mijoro tsara ary tsy misy mampanahy ny amin’ny fahasalaman’izy ireo. Efa ny 01 oktobra 2010 no nilaza ny hiverina an-tanindrazana ity filoha teo aloha ity saingy tsy nety tanteraka izany, noho ny savorovoro nitranga teto ankilany, sy ny tsy fahatomombanan’ny fahasalaman’i Xavier Ratsiraka zanany lahitokana.

Efa nisy mihitsy moa ny fitsanganan’ireo komity roa karazana, hikarakara ny fahatongavan’ny amiraly, saingy toa nangingina indray ny asan’ireo komity ireo. Tsikaritry ny mpanara-baovao fa mety taitra tampoka tamin’ilay fiantsoan’ny mpitarika Arema sasany an’i Pierrot Rajaonarivelo hitarika ity antoko ity angamba ny amiraly koa dia tapa-kevitra ny hody an-tanindrazana, satria tsy mety aminy, ary tsy eken’ny sainy raha olona efa nivadika taminy no hitantana ny antoko natsangany. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT