Politique

Didier Ratsiraka Aleo tohizana sy hamafisina ny fihibohana


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Maro be isika manontany tena hoe inona ny fanampahan-kevitra horaisin’ny fitondram-panjakana amin’ny alahady izao. Hotohizana sa hofoanana ny fihibohana an-trano ?

 

Sarotra ny mamaly an’ilay fanontaniana ary tena sarotra tokoa ny fanapahan-kevitra. Mandroso maty renibe mihemotra maty raibe, hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka Filoham-pirenena teo aloha. Tsy mora koa anefa ny manoro hevitra ny mpitondra « les conseilleurs ne sont pas les payeurs » izany hoe tsy mizaka ny vokany mivantana ny mpanolo-kevitra amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Kanefa ny adidy tsy an’olon-dratsy ary ady iombonana hoan’ny firenena izao atrehina izao dia am-panetren-tena lehibe no anolorana izao hevitra izao raha mety hanamora ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Miala tsiny fa tsy mandry ny eritreritro. Voamaso no potsiriko. “Aleo tohizana ary amafisina mihitsy aza ny fepetra sy "confinement" efa noraisina hatramin’izay mba hahafahantsika mandresy tanteraka ny covid-19, hoy ity filoha teo aloha ity. Marina ary tsapako, hoy izy, fa mafy ny fijalian’ny vahoaka, indrindra fa ireo valalabemandry sy ireo mpitrongy vao omana. Kanefa, aleo lavitra mikarakara ny vahoaka sahirana nefa salama ary manatsara ny fanampiana azy satria misy ny vary, ny menaka, ny siramamy sns... toy izay mitsabo ireo marary mety hitosaka raha tsy mitandrina isika. Ny antony izany dia izao : tsy ampy ny fitaovana eo ampelatanan-tsika raha fatratra ny marary mafy mila « respirateurs ». Tsy ampy koa ny efitra sy farafara ho azy ireo, ary farany fa tsy latsa-danja, raha sanatria ka misy aza 1000 na 2000 ny respirateurs eo ampelatanan-tsika, mino marimarina aho fa tsy ho ampy ny dokotera “réanimateurs” sy mpitsabo mpanampy. Tsy ampy torak’izany koa ny pneumologues. Tsy ho zakantsika ny fijaliana izay efa hita mianjady amin’ireo firenena any ivelany na ireo matanjaka indrindra aza. Aza adino tompoko ny fijaliana sy ny tebitebin’ireo marary sy ireo havany ary ny fandavan-tenan’ireo mpitsabo sy mpitandro filaminana, tsy mandry andro tsy mandry alina, mikarakara ireo havantsika miady amin’ny valanaretina, hoy ny fanambarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT