Politique

Diaspora homena zo hifidy Natao ho an’ny any Eoropa ihany angaha?


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Namoaka fampahafantarana ho an’ireo mpila ravinahitra na Diaspora Malagasy ao France, Espagne, Saint Siège,, Israël, Monaco,

 ary Portugal ny Masoivohon’i Madagasikara any France tarihin’Atoa Rija Rajohnson. Anton’io ny fandaniana ny LPND (Lettre d Politique Nationale pour l’Engagement de la Diaspora) tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny febroary 2021, mifandraika amin’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mba hahafahan’ireo mpila ravinahitra any ivelany hanana ny zo hifidy, araka ny toky nomen-dRajoelina nandritra ny diany tany France ny aogositra 2021. Manoloana io, nambara fa misy ny fanadihadiana sy fanisana ireo teratany Malagasy any ivelany izay tarihin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Ahafahana manana ireo antontan-kevitra sy antontan’isa azo antoka sy antontam-baovao tena mitombona ary ny mombamomba ireo Diaspora,… hamaritana ireo fari-piadidiana ara-pifidianana mandritra ny fikarakarana fifidianana manaraka eto Madagasikaraka. Nentanina hameno ireo pitsopitsony momba ny fanisana azy ireo noho izany ireo diáspora Malagasy, ka amin’ny alalan’ny rohy an-tranonkala http://diplomatie.gov.mg/db-diaspora/index.php mialohan’ny 31 martsa 2022. Nentanina ireo tsy voasoratra anarana sy tsy manana “Carte consulaire, fa ilaina amin’ny dingana ahafaha-mandray anjara amin’ny fifidianana izany, azo jerena amin’ny tranonkala diplomatie.gov.mg. Natokana ho an’ny any Eoropa ihany na ireo firenena voatonona etsy ambony ihany ve? Ahoana izany ny momba ireo Malagasy maro mielim-pantrana manerana izao tontolo izao? Toa misy ihany ny petatoko satria tsy ao Frantsa sy ireo firenena vitsivitsy notanisaina teo ireo ihany no misy Malagasy mila ravinahitra. Manendry masoivoho aza moa 3 taona mahery azo isaina amin’ny rantsan-tànana no voatendry, ka lojika raha adino ireo any amin’ny firenena maro. Toerana sy firenena stratejika maro no tsy misy masoivohontsika, fa vao avy nanangona “CV”. Fanjakana mitaredretra fiasa!
Toky R
Légende : Nandritra ny fampanantenana tany France ny aogositra 2021

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT