Ny 27 mey hariva no niala teto ny filoham-pirenena sy ny delegasionina notarihiny nankany Frantsa, ary nigadona teto ny 04 jona teo, izany ho herinandro teo ho eo.
Fitsidihana ofisialy no natao, ka io herinandro io ve tao anatin’izany daholo sa nitarina sy nampitomboina kely hanaovana fety sy fitsangantsanganana sy fiantsenana ? Nifanitsaka tamin’ny tsingerin-taona nahaterahan’ny filoha mivady rahateo. 30 teo ny delegasionina niara-dia tamin’ny filoha tany an-toerana. Fandaniana mihoapampana no tany satria raha ny hofan’ny hotely nipetrahan’ny filoha fotsiny (Suite présidentielle) no 25 tapitrisa ariary ny alina iray ary tsy maintsy roa alina farafahakeliny no tolotra amin’ireny. Eo amin’ny 719Euros (2,8 tapitrisa ariary) amin’izao ny sidina Antananarivo-Paris izany hoe 172,5 tapitrisa ariary ny saran-dalan’ny delegasionina 30 mandroso sy miverina. Notsongolohan’ny minisitry kolontsaina ankehitriny Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny fanjakana Rajaonarimampianina tamin’ny fitondrany ka ny nilazany fa 350 dolara isan’olona isan’andro ny “indemnité” amin’ireny. Amin’izao dia manodidina an’io 350 dolara io raha aty Afrika ny dia, ary 450 dolara (1 575 000Ar eo) raha any Eoropa, ka 47 250 000Ar izany ho an’ny olona 30. Volam-panjakana tokony hahavitana zavatra hafa no lany tsy arakaraka ny fivoizana ny politikan’ny fitsitsiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.