Politique

Diabe politika Efa azo atao tsara ny fidinana an-dalam-be ?


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Mazava ny sary niseho tany Antsiranana ny faran’ny herinandro teo, fa efa malalaka sy azo atao tsara ny diabe ara-politika eny an-dalam-be.

Malalaka hanao izany ny vondrona sy vovonana ara-politika, raha tena mitovy ny tsirairay eo anatrehan’ny fisitrahana zo ara-politika sy ny lalàna. Nomena alalana mazava ny TGV tany Antsiranana nandritra ny fanehoan-kery ara-politika nataony, ary tokony ho lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” ny fahafahana manao izany ho an’ny antoko rehetra. Na zava-nisy hatramin’izay mantsy, vao tsy ela akory fa nialohan’io an’ny volomboasary io tany Antsiranana, dia nohetraketrahina ny TIM tamin’ny fameloma-maso nataony, eny fa hatramin’ny fanadiovana tanàna aza mbola narahin’ny mpitandro filaminana maso. Moa tsy samy fameloma-maso ny antokony ve no nataon’ny TIM sy ny TGV tany Antsiranana? Nanome lesona ho an’ny rehetra ny volomboasary, ka ny lojika dia halalaka amin’izay ny fahafahan’ny antoko politika rehetra manao diabe mandritra ny fameloma-maso ny antokony, raha tsy misy tokoa ny mizana tsindrian’ila sy ny hakanosana ara-politika. Ny hita eto mantsy, dia lazaina hetsika tsy nahazoana alalana sy sokajiana ho fikasana hanongam-panjakana foana rehefa ny eo amin’ny fanoherana no manao hetsika sy mamory ny mpanohana azy. Toa tahaka ilay resaka haino aman-jery ihany io hoe: tiana hokantsanana tsy halefa manerana ny faritra, dia lazaina fa nandika lalàna sy nanakorontana. Raha ny lojika, ilay orinasa sy haino aman-jery mihitsy no nakatona na naato fa tsy fandehanany hositrahan’ny any amin’ny faritra, saingy hafahafa mihitsy ilay politika eto. Ny ankilany ihany koa moa toa manaiky lembenana hatrany ka dia manao izay danin’ny kibony ny andaniny.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT