Politique

Dia tany Avaratra Nanao vava be indray ny Filoha


  • Alatsinainy 13 Septambra 2021

Nandritra ny fitokanana ny làlana Antsiranana-Ramena mirefy 19 km eo ny sabotsy 11 septambra teo no nilazan’ny Filoha Ankehitriny Andry Rajoelina fa mihazakazaka ny fampandrosoana, niova tanteraka i Antsiranana.

 Nambaran’i Andry Rajoelina nandritra io, fa ny olona minia mikipy, ny olona jamban’ny fialonana, ny olona jamban’ny fankahalana no tsy mahita an’izany, fa ny orony ihany no hitany, fa mba mijere lavitra dia mitodiha aty Antsiranana. Ny fitiavana tena fitiavana dia marihina amin’ny asa, ary ny fanaratsiana dia valiantsika amin’ny asa,…. hoy izy. Teo aloha izay 19 km, raha natao adin’ny iray latsaka kely, dia 15 amin’izao fia tonga any Ramena. Isan’ny mampalaza an’Antsiranana sy ny Faritra Diana manontolo, dia ny ranomasina sy ny tora-pasik’i Ramena. Mbola betsaka ny zavatra azo tsidihina satria miala an’i Ramena dia mbola afaka mitsidika an’i Baie d’Emeraude, Baie de Sakalava,…. Nambara fa toerana iray ahafana mampiroborobo amin’ny fizahan-tany ny any Antsiranana sy Ramena. Vina hapetraka, hoy i Andry Rajoelina, ny hisian’ny hotely lehibe Kintana 4 sy Kintana 5, izay hamoronana asa. Nisy ny diabe sy fitsangatsanganana tao Ramena; Mandeha indray ny fanaovana vava be rehefa vory vahoaka, tsy afaka ny fandokafan-tena satria te haneho ny Filoha ankehitriny, fa mahavita azy. Mirehareha fatratra amina fotodrafitrasa, fa ny fiainam-bahoaka sy ny toekarna tsy misy tokontaniny intsony. Raha resaka zava-bita ara-potodrafitrasa izany, mbola tsy afaka tena hidoka tena ny Filoha ankehitriny. Làlana 10 000 km latsaka kely ny vitan’ny Fanjakana naongany ny 2009. Nanao sy nametraka ireo fotodrafitrasa goavana, toy ny ny Pont Fatihita Ambositra, Pont Ivoloina Toamasina, Tampon’Ihorombe, làlana Fianarantsoa-Manakara-Farafangana-Vangaindrano, Sambava-Antalaha, By Pass (tanà), Route des hydrocarbures eto Antananarivo, Marais masay, Boulevard de l’Europe Tanà,… Efa tao anaty fandaharan’asa ny làlana Ihosy Betroka Ambovombe sy ny làlana Tolagnaro-Vangaindrano saingy iny naongana ny taona 2009 iny. Ny tiana hahatongavana dia ny hoe: very hatrany amin’ny 15 taona isika, lasa azo hoanina indray ny làlana izay notsinontsinoavina fahiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT