Politique

Dia etsy sy eroa Sosotra mafy amin-dRavalo ny fitondrana…


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Taorian’ny tany amin’ny Faritra Itasy nisian’ny karazana fampihorohoroana

 

 

mivantana na ankolaka hatrany am-piangonana natao ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia teny Talatan’i Volonondry indray i Marc Ravalomanana omaly no nandalo, nihaona, nitafa tamin’ny vahoaka. « Tsy nisalasala namoaka ny fitarainany manoloana izao fotoan-tsarotra izao ireo mponina, rehefa nifanankalo hevitra tamin’izy ireo aho nandritra ny fandalovako tao amin’ny tsenan’ i Talata Volonondry», hoy ity Filoha teo aloha ity. Nanampy mivantana ireo mponina izay sendra azy. Nividy entana ilain'ny mpianatra tamin'ireo mpivarotra teo an-toerana, ary mizara izany amin'ny olona eo an-toerana, toy ny fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra nentina namalifaliana azy ireo. Ireny no atao hoe : « économie sociale dans sa pure forme », hoy ny mpandinika.

TEZITRA SY MIVONTO FO AMINY NY FITONDRANA

 Mivonto fo amin’ny fihetsik’i Marc Ravalomanana ny Fitondrana. Ny fanenjehana azy anefa no vao mainka mampiakatra ny lazany, raha toa ka mihen-danja hatrany kosa ny Fitondrana Rajoelina eo anatrehan’ny fitotonganan’ny firenena na ara-toekarena na ara-tsosialy. Toa adino, fa efa vita tamin’ny 2018 ny fifidianana, ary efa eo amin’ny Fitondrana ny Filoha Rajoelina. Hamoronan-javatra hanenjehana sy hamotehana azy hatrany i Marc Ravalomanana, izay efa voaongana tamin’ny 2009, nanaiky ho resy tamin’ny 2018. Tombanan’ny Fitondrana ho mbola kandida hifanandrina aminy amin’ny taona 2023, hany ka aty amin’ny roa taona mialoha dia efa ilàna kisa. Nomena taratasy hialany eny Anosipatrana ny MBS ao anatin’ny 6 volana tamin’ny volana aogositra; nakatona ny orinasa Tiko AAA sy Magro ny faramparan’ny aogositra sy ny fiandohan’ny oktobra, notrongisina ireo sisa tavela tamin’ny fotodrafitrasan’i Marc Ravalomanana tao Toamasina, ka nahatonga ny orinasa Tiko nametraka ny fitoriana teny amin’ny CFM ny 30 septambra mitaky ny hanonerana ny potika rehetra araka ny voafaritry ny tondrozotra tamin’ny 2010. Mahatratra 1461 miliara ariary ny tomban’ny fahapotehan’ny vondron’orinasa Tiko, raha ny antontan-taratasy momba ny fangatahana onitra. Toa tanjona ny handemy hatramin’ny farany an’i Marc Ravalomanana ka kitihina ny mety ho loharanom-bolany, horohoroina sy ilam-baniny amin’izay rehetra ataony, ary mety hiafara hatrany amin’ny fisamborana sy fanagadrana azy izany raha izao fandehany izao satria hatreny am-piangonana avy no andrasana amin’ny mpitandro filaminana mirongo basy. Efa namoahan-dry Andry Rajoelina didy fanamelohana azy higadra rahateo i Marc Ravalomanana tamin’ny tetezamita.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT