Ny 06 oktobra teo no nanamafisan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa efa vita sonian’ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ny 2017 ny famatsiam-bola 235 tapitrisa euros hanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mankany Tolagnaro sy ny lalam-pirenena faha- 5 tapany A avy eo Ambanja.
Niaka-pofona sy nanivaiva ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay tsy miteny tsy mivolana any amin’izay misy azy any koa Atoa Jean Michel Henri Kestora voalohan’ny Antenimieram-pirenena depiote IRD voafidy tany Ambovombe. “Moa ve raha tamin’ny andron-dRajaonarimampianina tsy efa niteny izy hoe misy lalam-bola hanamboarako an’io? Angaha izy nanao? Tsy mahagaga satria olona mpandainga amin’ny vahoaka Malagasy iny Rajaonarimampianina iny. Tsy mahagaga raha tsy nahavita na inona na inona izy. Izany fanambarana izany, ren-tany ren-danitra, ary ny ho avin’ny Filoham-pirenena Rajoelina no tafiditra sorona ao anatin’io RN13 io, ka sambatra ny vahoakanay any Atsimo raha vita daholo ny fanambin’ny Filoham-pirenena. Nilaza ny Filoha fa afaka iray taona dia ho nofinofy ny kere”, hoy ny Mpitam-bola na Kestora voalohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Michel Henri.
“Atoa Depiote! Mpandainga hoy ianao i Rajaonarimampianina fa tsy izy no nahazo famatsiam-bola anaovana ny RN13. Fa tsy menatra ve ianao fa ao amin’ny distrika nahalany anao efa “3 mandats” izao no misy ny kere malaza indrindra eran-tany ary manala baraka mihitsy an’i Madagasikara”, hoy Atoa Ignace Randriamamizafy Mpikamban’ny Kongresin’ny Tetezamita teo aloha mantsy ity depioten’Ambovombe ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.