Mba hilazana azy amin’ilay fomba fiteny mahazatra antsika Malagasy hoe mahay vava dia hita ho mitohy manampatrampatra ao anaty tambazotran-tserasera hatrany ny depioten’I Fandriana,
Ny Aina Dina Rakotomalala. Mampametra-panontaniana mihitsy aza hoe izy ve no mitondra ity kaonty Facebookny ity sa olon-kafa? Vao andro vitsy lasa izay no nisy ilay fifamaliana niseho tamina governora iray sy depiote namany hafa nitranga tao anatin’ity tambazotran-tserasera ity dia izao niseho ny sabotsy teo izao indray. Werawera tsy maintsy mandeha, hoy ny mpaneho hevitra iray mantsy azy, fa ilay fampanantenana ny fanamboarana ny lalana Ikelikapona – Fandriana toa Ambatobevohoka. Mampahatsiahy ramatoa voafidim-bahoaka, maro ny feon’ny vahoaka ao Fandriana, hoy hatrany ity mpaneho hevitra ity. Akapohy amin’ny vato ny loha, hoy ny navalin-dramatoa solombavambahoaka, raha tsy faly amin’ilay werawera ianao fa io tsy maintsy mandeha. Ny feo, hoy izy, tsy maintsy misy ary aza adino fa tsy banga akory ny atidohako. Mazava? Mampametra-panontaniana ihany hoe tokony ho fomba famalina olom-boafidim-bahoaka na raiamandreny eto amin’ny firenena ve ny valinteny toy izany ? Tena voatery novaliana ihany koa ve ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.