Izaho dia depiote lany tamin’ny fifidianana 2018 ary raha nijery ny fifidianana tany aminay dia nahita fa 1 na 2 no isan’ny « doublon » ao anatin’ny distrika iray,
hoy ny depiote voafidy tao Befotaka, Jhonson Razafindrafara, manoloana ny resabe mikasika ity kara-panondro tsy ara-dalàna niparitaka tamin’ny fifidianana ity. Izany hoe, raha izay no zava-misy tany aminay dia tsy afaka aho ny hilaza hoe tokony hofoanana na tsia ny voka-pifidianana. « Honnêteté intellectuel » no azo ilazana ireny nasehon’ny CENI ireny, hoy izy, satria azony mbola nafenina ireny. Mila jerena ny tranga rehetra manerana ny nosy. Ny vahaolana amiko dia tohizana sy ampiana izay fahasahian’ny CENI izay satria ny fahasahiana mamoaka hadisoana toy ireny dia fahavononana hanatsara ny ho avy. Ilaina ny tsikera raha tsy entim-po fa hanatsarana zavatra. Raha natao isan-jato ny fanakianana ny mpitondra nifanesy dia mbola mandresy ny fankasitrahana. Ny fankaherezana anefa no mampirisika hanao ny tsaratsara kokoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.