Depioten’i Antsirabe I

> Lasan’i Michel ihany ny toerana


  • Sabotsy 08 Febroary 2014

Nisento tokana ireo mpomba ny kandidŕ Michel Ambalavato niandry ny vokatra navoakan’ny CES ny alakamisy 06 febroary lasa teo.

Efa nampisafotofoto be azy ireo mantsy ny resabe momba ny vokatra ho an’Antsirabe voalohany ity noho ny tsy fitovian’ny vokatra navoakan’ny SRMV sy ny CENI-T satria nifamadibadika tamin’ny kandidàn’ny MMM izany. Ireo mpomba ny kandidàn’ny MMM koa moa tsy sasatry ny nivoy fa ny azy ireo no lany fa tsy izay navoakan’ny CENI-T. Raha nivoaka ny vokatra ofisialy dia nilamina ny zava-drehetra satria ny navoakan’ny CENI-T no nohamafisin’ny CES. Nazava ankehitriny ny fandresen'ny Kandidà Jean François Michel Ambalavato tamin'izany fifidianana ho solombavambahoaka izany tao Antsirabe voalohany. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoakan'Antsirabe moa ny tenany nampiseho fahendrena niandry iny vokatra iny. Nisaorany ihany koa ireo nametraka fitokisana taminy na koa ireo tsy nifidy azy aza satria ny hiasa ho an'ny fampandrosoana an'Antsirabe no nirotsahany. Miantso fifanomezan-tanana ho an'ny vahoaka ny tenany mba ho an'ny fampandrosoana ny tanànan'Antsirabe. Na izany na tsy izany moa dia nambarany fa hitohy hatrany ireo asa soa sy fanasoavana fanaony amin'ireo vahoaka manodidina azy fony izy tsy mbola solombavambahoaka ary vao mainka hihamafy izany amin'izao fitokisana napetraky ny maro an'isa aminy izao.

 

 

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT