Tsy niandry ela fa ny alahady 09 febroary 2014 tolakandro ihany dia nifamotoana tamin’ireo vahoaka tao amin’ny “Espace Zôry Kely” ny solombavambahoakan’i Madagasikara vaovao lany tao amin’ny Distrikan’i Maevatanŕna, Rasoarimalala Georgette na i Zôry Kely araka ny ahafantaran’ny maro azy.
Nisaotra sy nankasitraka ireo olom-pirenena rehetra tonga nifidy sy nanome vato azy tamin’ny fifidianana notanterahana ny 20 desambra 2013 ny depiote Zôry Kely ary nankahery ihany koa ireo mponina rehetra tsy ankanavaka. “Tafita isika ka tsy maintsy tanterahana ireo fanamby nampanantenaina nandritra ny fampielezan-kevitra”, hoy ny tenany. Anisan’izany ny fijerena manokana ireo mpitrandraka volamena, ireo fepetra tokony hapetraka momba ireo vahiny mpamongady ary indrindra indrindra ny sehatry ny fampandrosoana misandrahaka amin’ny lafiny maro. Tsy vitan’ny olona iray na vondron’olona ny fampandrosoana an’i Maevatanàna fa mila ny fifanampiana izay niantsoany manokana ireo kandida nifaninana nefa tsy lany. Mivoha ny varavarana ary vonona ny hifanome tanana amin’izany ny solombavambahoaka Zôry Kely. Mila avondrona ny hery izay antony iray nisalorany ny anarana hoe “Mampiray antsika”.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.