Politique

Depiote vaovao “Mila mamerina ny fahatokisan’ny vahoaka azy.”


  • Alarobia 29 Mey 2019

Arahabaina ny Malagasy fa nahavita iny fifidianana iny, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona. Adin’ombalahin’ny mpianakavy ny fifidianana ka isika rehetra no tompon’andraikitra sy tompon’antoka amin’ny fampanjariana ny zava-misy eto.

 

 

 

Tsy misy afa-miala. Amin’ny ankapobeny hoe kely ny tahan’ny mpifidy, indrindra, an-tanan-dehibe. Fa raha ny tao Miarinarivo I izao dia nisy taha 43%, Mandiavato 38%, Imeritsiatosika 28%. Mety ho maro ny antony, hoy hatrany ity filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy ity. Voalohany, eo ny fanabeazana ny vahoaka, hanana fahamatorana politika. Ahoana no ahafahany mahatsapa tena ho tompom-pahefana? Faharoa, ny resaka fifandaminana, misy olona efa leo politika hoe ny eo ihany no eo. Rehefa tonga eo ve ireo dia tsy ho ny nataony ihany no ataony? Isan’ny any an-tsain’ny olona izany. Eo koa ny fandaminana teo amin’ny fanatanterahana, ohatra, hoe ny andro nanaovana azy. Ny sasany hoe manararaotra ilay faran’ny herinandro lavalava. Lasa ampidirin’ny olona amin’ny resaka toy izany ilay fifidianana. Miara-tompon’antoka anefa isika ka tokony hitohy ny fiainana fa iny aloha no vita. Ka na vitsy an’isa aza ireo nifidy izay lany eo dia mila fahamatorana politika ny mandray sy miaina izay valim-pifidianana eo ka anjaran’izay lany no mameno ny banga sy miezaka mamerina ny fahatokisan’ny vahoaka azy ireo, hoy i Gerard Ramamimampionona.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT