Politique

Depiote vaovao Hahay hitsitsy ve sa hidongy tombotsoa indray


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Nivoaka iny ny vokatra ofisialin` ny fifidianana solombavambahoaka ka mazava be ny maro an` isa ho an` ny Fitondram-panjakana entin` ny Filoha Andry Rajoelina.

 

 

 84 no seza azon` ny vovonana IRD ka ampy io isa io hampandaniana ny lalàna samihafa. Ireo tsy miankina sasantsasany dia efa nisy nanambara fa hanohana ihany koa ny Filoha.Ara-poto-kevitra tokoa ve ny anton’izany fihetsika izany sa ara-tombotsoa sy ara-bola.Ny filoha Rajoelina mantsy nisy fotoana efa nanao pi-maso hoe Ndao hiaraka aminay fa handroso ny any amin’ny faritra misy anareo…

Efa mandray vola be

Mandray karama manodidina ny 3 tapitrisa ariary isam-bolana ny solombavambahoaka iray eto Madagasikara, ary mbola miampy izany rehefa mivory izy satria mahazo tambin-karama 40 000 ariary isan’andro, ary omena 65 000 ariary isan’andro hofana hotely raha mamita iraka.Manodidina ny 200 000 ariary isam-bolana kosa ny fahana ho an’ny finday .Vola efa ampy hiainnana tsara raha eto Madagasikara.Nilaza ny mampihatra ny politikan’ny fitsitsiana ny fitondrana amin’izao fotoana ary efa nampiharana izany ny antenimierandoholona; ka asa hanao ahoana ny eny amin’ny antenimieram-pirenena.Tsy nisy ny fizarana fiara 4x4 nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina ary tena nahazorena depiote maro izy io, amin’izao fotoana malaza ny fividianan’ny fanjakana fiara 4x4 ary efa nahazo an-jatony ny mpitandro filaminana ka misy ireo depiote efa manonofy mamily fiara tsy mataho-dalana. Hahavita hifehy ny fandaniam-bola eny Tsimbazaza ary ve ny fitondram-panjakana sa hanaiky hanome tombotsoa ireo olom-boafidy mba hampilamina azy ?

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT