Politique

Depiote tsy miankina nanao fanambarana “Mitady sera sy tsena”


  • Zoma 05 Jolay 2019

Fomba fiady efa nampoizina ihany, raha ny fanazavan’ny sekretera nasionalin’ny antoko politika ABA, Dany Rakotoson, no nipoitra nandritry ny fanambaran’ireo kandida tsy miankina sasany izay nilaza fa hanohana ny filoham-pirenena.

 

Izay izany angamba, no heverin’izy ireo fa ahazoany tsena, hoy izy. Mety mba hanao IEM kely na Tanamasoandro kely izy. Manana ny maro an’isa ny fitondram-panjakana anefa ka na tsy hitambatra amin’ireo tsy miankina aza dia tsy hanova zavatra loatra. Fombafomba ihany io, hoy izy, ny fahitako azy mba hanaovan’izy ireo dokambarotra ny tenany hoe izaho miaraka aminareo fa mba omeo tsena. Ho an’ny mpanao politika, Zakahely Boniface, kosa dia tsy mety iny fanambaran’ireo depiote tsy miankina iny satria matoa manao fanambarana ny parlemantera dia efa tafatsangana izany izay ny vondrona parlemantera. Tsy mbola nisy anefa izany, hoy izy. Manontany ny vahoaka Malagasy izy raha mahay ny asany ireo olona ireo na tsia. Voaporofo, hoy izy, fa tsy lany ara-dalàna ireo ary matahotra ny tsy hahazo ny tombontsoa ho azon’ny depiote IRD.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT