Kandidà 46 tsy miankina na mahaleotena izany hoe tsy natolotra fikambanana na antoko politika no manana seza eo anivon`ny Antenimieram-pirenena araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI.
Ny fihetsik`ireo depiote tsy miankina moa no andrasana amin`ny fijoroan`ny Antenimieram-pirenena eo. Tsy nisy izay tsy nitsikera ny fahamaroan`ny kandidà tsy miankina nandritra ny firotsahan-kofidiana. Andrim-panjakana manahirana ihany ny eny Tsimbazaza raha ny fomba fanaon’ny solombavambahoaka izay voafidy no tena olana tamin’ny taona 2013-2018 lasa teo iny. Depiote feno kolikoly satria mandray vola amin’ny mpanatanteraka dia ny avy amin’ny governemanta izay te handany tolo-dalàna. Tsy miraharaha izay lalàna fa ny vola ihany no mibaiko. Kapoka latabatra dia manangan-tanana avokoa ireo depiote mpandray vola ireo araka ny baiko ataon’ilay depiote lehiben’ny kolikoly io. Tena fikaramana no ataon’izy ireo tamin’ny taona 2013-2018 iny. Porofo tamin’izany ny raharaha teny amin’ny Paon d’Or teny Talatamaty tamin`ny 2018. Mandeha ho azy ny fivadihana palitao atsy sy aroa isaky ny mihetsika, indrindra ny hoe voafidy amin`ny anaran`ny tsy miankina satria tsy voafehy ny and, 172 ao anatin`ny lalàmpanorenana izay mahakasika ny famadihana palitao izy ireo. Hiara-dia amin`ny filoha Rajoelina sy hanohana ny IEM sa ahoana ny ho fihetsik`izy ireo ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.