Politique

Depiote Todisoa - TIM “Disadisa no nisy fa tsy fisaraham-bazana”


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Ao anatin’ilay antsoina hoe “rédynamisation” ny antoko TIM amin’izao fotoana izao, ka isan’ny hanaovana izany ireo Boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra,

ka omaly dia ny Boriborintany faha-6 no nanaovana izany nisiana hetsika teny Ambohidahy Ambohimanarina. Miaiky ny TIM fa nisy ny disadisa, saingy tsy midika fisaraham-bazana, ary misy ny fifandaminana. “Sahala amin’ny mpivady hoe ao an-tokantrano dia misy ny fifamaliana kely, sahala amin’ny antoko rehetra ihany toy ny IRD, HVM, MMM fa ao anatin’ny TIM dia antoko lehibe sy matanjaka, ary misy foana ny fifampidinihana amin’ny TIM, ary hamafisiko fa miray hina ny TIM, hitantsika amin’izao fa ferana fotsiny ny olona hoe 400, izay tena maneho ny heriny, hoy ny depiote TIM eny amin’ny Boriborintany faha-6 Atoa Todisoa Andriamampandry, raha ny hita tamin’ny haino aman-jery omaly. Saika nisintaka tao anatin’ny antoko ireo mpikatroka tsy tafaverina ho kandidan’ny TIM. Nisy ihany koa ireo mpikatroka tao anatin’ny antoko izay niara-dàlana tamin’ny fitondrana tetezamita,… “Efa nisy dingana fifanantonana tamin’ireny olona ireny. Misy olona efa nisintaka efa ela fa efa hitanao izy, ary mahavelom-bolo izany ao anatin’ny “rédynamisation”, izay olona tao hatramin’izay ka marisarisa dia haverina. Ireo olona misy fitondran-tena kely amin’ny maha olombelona dia nanantonana hoe mba olombelona izy, fa tokony hanitsy. Ny TIM dia an’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary miady ny tombotsoan’ny vahoaka. Amin’ny maha antoko azy, dia manana vinam-piarahamonina, ary ny tanjona dia halain’ny TIM sy ny rafitra TIM daholo ny fifidianana manaraka eo manomboka any amin’ny fokontany, lehiben’ny faritra,… dia halain’ny TIM daholo satria iaraha-mahalala ny zavatra tsy mety amin’izao”, hoy io depiote io. Mety hiverina ho iray ihany koa ve ny fandaharana miara-manonja izay mizara roa amin’izao fotoana izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT