Politique

Depiote TIM “Tsy mamaly ny filan’ny vahoaka ny tetibola 2021 ”


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Naboridan’ny Depioten’ny Miara-manonja nandritra ny tatitra nataon’izy ireo ny sabotsy teo tetsy amin’ny Magro Tanjombato

 

 

 

 ny lesoka goavana sy petatoko amin’ny Lalàna lasitra mifehy ny tetibolam-panjakana na ny LFI. Tsy manjary ny fandinihana LFI 2021, natao hazakazaka arahin-tosika. kitoatoa, kanefa miantoka ny aim-pirenena. Lalàna fehizoro ny LFI, ka misy fomba fifidianana azy, misy pitsopitsony. Tsy maintsy apetraka 15 andro eo anivon’ny Filohan’ny Antenimiera sy ny Birao maharitra, izay vao dinihina. Boky be telo tsy ho vita ao anatin’ny tapa-bolana na ny manao ny fandalinana, na mijery ireo sora-bola. Ny 30 oktobra no nahavitany, saingy ny 08 novambra dia efa nodinihina. Zara raha nisy herinandro, 4 andro no nandinihan’ny vaomiera azy, adin’ny roa na adin’ny roa sasany ny nandaniana azy teo amin’ny fivoriambe, ny dikany tsy nisy nandinika an’io izany, fa voabaiko, nantsoina tany Mahazoarivo, nantsoina ivelan’ny lapa,… Ny depiote TIM no tena nanaraka fivoriana sy ny asam-baomiera tamin’io, hatrany amin’ny fivoriam-be fa ny anareo solombavambahoaka tsy mahalala izay olam-bahoaka, fa solombavam-panjakana ary tsy misy mahafehy an’io afatsy ny Filoham-baomiera sy ny kaomisionina, hoy ny Depiote Hanitra Razafimantsoa.

TSY HAHAVAHA OLANA

Resaka sehoseho no betsala, ary tsy manaraka ny “orthodoxie financière” ny zavatra atao amin’izao satria izay tenin’ny Filoham-pirenena no tanterahina fa tsy izay voalaza ao anaty tetibolam-panjakana. Tsy hahavaha olana mihitsy ny tetibolam-panjakana. Nindram-bola isika, nisy fanomezana avy amin’ny mpamatsy vola ka mitentina 600 tapitrisa dolara teo ho eo. Vola natao hanampiana antsika, hiadivana amin’ny aretina, hitsinjovana ireo very asa,.... Nampiasaina tamin’ny zavatra hafa ny vola, nisy nalefa tao amin’ny Jirama satria nisy akamakama tao ka nanombinana nanomezana an’ireo, ny Jirama anefa tsy nahavaha olana. Tamin’ny LFR ny aogositra 2020, nanaovana fanintsiana tetibola, nisy vola 1043 miliara Ar nampanantenain’ny Filoham-pirenena hanaovana “Plan Marshall”, tonga ny fivoriana farany teo, ka nanontaniana ny Minisitry ny toekarena sy ny vola hoe aiza ilay Plan Marshall, saingy tsy nahavaly na kely aza, hoy ny Depiote Hanitra. Ao anaty LFR, saingy tapitra ny taona tsy hita hoe nankaiza? Kenda tanteraka ny Fanjakana, tsy misy zavatra azony atao. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe manam-bola sa tsia? Sora-bola fotsiny ve ireo ?hoy io depiote io. Ny tetibolan’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena avo roa heny amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana kanefa isika hoe miady amin’ny valanaretina. Tsy ny kianja manara-penitra ho an’ny tanora ny olana, fa raha ny firenena miady amin’ny valanaretina tahaka izao, dia ny vary hohanina sy ny fahasalamana no maika. Tsy hahavaha olana mihitsy io na rahampitso, na afakka herinandro, na afaka enim-bolana, na hindram-bola faninjatony eto aza, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT