Toa maneho fa misy zavatra hipoaka, mandindona, mihalohalo,… Misy zavatra tsy zakan’ny Malagasy intsony:
vary, menaka, tsy fandriampahalemana… Hanomboka hiteny, ary hidina hanao tatitra izahay. Ny sarambabem-bahoaka amin’izay no horesahana. Efa nolazaina fa hoe any amin’ny faritra nahalany anareo, ka ho avy amin’izay izahay, hoy ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa tao amina fandaharana nandeha tamin’ny fahitalavitra maromaro omaly, izay niaharahany tamin’ny depiote Fidèle Razara Pierre. Fandriampahalemana, jiro midina nampanantenaina,... Lasa fahirano ilay velirano nataony taty aoriana. Tsy ny mpitondra intsony no anontaniana fa ny vahoaka amin’izay no hanontaniana hoe: ho zakanareo ? Hosintonintsika amin’io velirano io izany. Amin’ny mpitondra manga ny lanitra, mety ny zavatra rehetra atao. Izahay dia nanentana foana ny vahoaka tsy hanongam-panjakana satria voka-dratsiny be, misy fahapotehana. Tenenina foana kosa ny mpitondra hoe aza manao letrezana, aza manao bontolo, aza manakatona orinasa,... Lazaina fa vitsy an’isa izahay depiote TIM, lazaina fa vitsy an’isa ny mpanohitra ka inona no atahorana anay? Misy depiote mitabataba amin’ny haino aman-jery, fa rehefa ao amin’ny fivoriana tsy re, ary izahay no tena tonga maro tao amin’ny asam-baomiera. Vitsy an’isa fa mitondra hevitra mafonja ny TIM ao amin’ny antenimieram-pirenena. Tsotra foana ny anay, miainga amin’ny zava-misy. Rehefa tsy mihaino, rehetra tsy mety dia tsy maintsy hevitra hafa no hitondrana azy. Aleo mihaino raha mbola afaka, fa izahay dia efa tonga amin’ny hoe ampy izay roa taona izay. Samy tompon’ity Madagasikara ity. Efa nisy fotoana teto nomen’ny olona ny FFKM hoe tsy nijoro tamin’ny fotoana namparary ny vahoaka, ka izahay tsy ho tratry ny ohatr’izany, hoy ny depiote Razara Pierre. Mila fantatry ny vahoaka Malagasy ny marina, toy ny tamin’ny fampiasana ny volan’ny covid-19. Efa samy miaraka leo, efa tapitra ny fananarana, eo amin’izay hoe inona no ataontsika fa izahay efa vonona hatramin’ny farany, hoy izy ireo.
“TSY DIA MISY ANTENAINA”
Ny mpiara-miombon’antoka amintsika no efa miteny, fa any amin’ny 2022 vao mety afaka tena hiodina sy hiroborobo ny toekarena. Misy fampiasam-bola mandeha, famoronana asa, fitrandrahana mandeha,… vao misy antenaina, kanefa ny eto aza akatona. “32% ny orinasa mikatona, ny olona miha mahantra isan-taona 1,4 tapitrisa isan-taona,… hoy ny Banky iraisam-pirenena. Tany amin’ny 74% ny tahan’ny fahantrana no lasa any amin’ny 77%. Ny IEM lasa PEM,…“, hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.