Araka ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny 04 martsa 2020 no antsoina hivory tsy ara-potoana ny antenimiera roa tonta,
izany hoe ny antemieram-pirenena sy ny antenimierandoholona mandritra ny 12 andro mba hankatoavana ireo didy hitsivolana miisa 9 noraisin’ny filoham- pirenena nandritra ny fanomezam-pahefana nomen’ny Antenimieram-pirenena azy talohan’ny nijoroan’ny Antenimieram-pirenena. Raha tsiahivina, nametraka fitoriana teny anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny filohan`ny Antenimierandoholona ny talata 14 janoary lasa teo. Fitoriana izay milaza fa misy ny tsy fahatomombanana hita taratra tamin`ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra lah. 005-HCC/D3 tamin`ny 13 febroary 2019, izay noraisin`ny HCC, mikasika ireo didy hitsivolana izay nosoniavin`ny filoham-pirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao lalàna tamin`ny taona 2019, tamin`ny fotoana tsy nampisy ny Antenimieram-pirenena. Voalaza ao amin`ilay fanapahan-kevitry ny HCC io fa tokony hampandalovina sy hankatoavina eo anivon`ny antenimiera roa tonta izany didy hitsivolana izany mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan`ny parlemantera farany teo saingy tsy tanteraka izany. Taorian` izay dia nisy didy fanapahana navoakan`ny HCC fa tsy maintsy ampidirina eny anivon`ny parlemanta ireo didy hitsivolana ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.