Politique

Depiote Sao dia tokony hahena koa ny isany?


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Hatramin` izay dia ny solombavambahoaka no manana fahefana bebe kokoa raha oharina amin` ny loholona. Marihana fa ny Antenimieram-pirenena no afaka manozongozona ara-kevitra ny mpanatanteraka fa tsy afaka manao izany ny loholona.

 

 

 Araka ny voalazan` ny lalàmpanorenana mantsy dia anjara andraikin` ny loholona no “misahana ny asan’ny mpanalalana raha misy ny ady atsanga politika eo amin’ny mpanatanteraka sy ny solombavambahoaka”. Araka izany, raha ny fahefana eo amin` ny antenimiera roa tonta dia tsy mifandanja izany satria ny Antenimieram-pirenena no mahazo vahana kokoa. Torak` izany koa eo amin` ny isan` ireo parlemantera. Miisa 151 ireo depiote raha toa ka 63 ireo loholona hatramin` ny faran` ny taona. Araka ny fanambarana nataon` ny SEFAFI dia “misy tombon-tsoa tsy hita noanoa eo amin` ireo depiote. Ny karamany isam-bolana: 3 tapitrisa ariary miampy tambin-karama 400 000 ariary isan-andro mandritra ny fotoam-pivorina. Manampy iznay ny 3 tapitrisa ariary ho solon` ny solika ary 200 000 ariary ho fahan` ny finday. Mbola eo koa ny mpanampy ny solombavambahoaka ka miisa dimy ho an` ny depiote tsirairay. Tafiakatra 65 000 ariary isan-andro ny saran` ny hotely raha mamita iraka eto an-toerana izy”. Tsy tenenina intsony moa izany ny tombontsoa hafa maro isan-karazany sy ny miafina any rehetra any. Araka ny kabarin` ny filoha Rajoelina moa izany dia mifetra amin’ny fampisongadinana ny maha andrimpanjakana andaniam-bola fotsiny an’io antenimierandoholona io. Navoitrany koa ny fandaminana ny fampiasana ny volam-bahoaka ka hahazo avara-patana amin’izany ny tanora. Koa raha resaka politikam-pitsitsiana dia ny eo anivon` ireo depiote izany no tokony ahitàna izany famerana tombontsoa omena ny parlemantera izany.

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT