Politique

Depiote Rossy “Alamino aloha ny olana anatin’ny IRD”


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Niely tao anatin’ny tambajotran-tserasera omaly ny hafatra avy amin’ny Depiote IRD Rahasimanana Paul Bert na Rossy.

Miantefa amin’ny Birao politikan’ny IRD eo anatrehan’ny olana sy savororovo anatiny io. “Mila mandray andraikitra ianareo birao politika IRD, fa ny olana politika dia vahàna amin ny politika fa tsy avela handeha “dawara” sy miha lô eo. Andraikitra miandry anareo: mandamina ny olan’ny mpitolona misy mila vanona nefa toa tsisy mihaino ohatra resaka Raholdina sy ny fananan-tany; mandamina ny olan’ny ben’ny tanàna amin’ny olom-boafidy natolotry ny IRD, ohatra Clémence Raharinirina,… ny olan’ny fifandraisan’ny depiote amin’ny ministra mivatravatra. Farany ny resaka Sareraka, tsy izay niresaka tamin ny Madagascar Oil na Ramahatra dia hamono ny prezidà daholo, hoy i Rossy. Manomboka misy tonga saina izany ny olon’ny Fitondrana, fa isan’ny olana sy lesoka ho azy ireo ny lonilony anatiny izay mampisavoritaka ireo samy mpanohana an-dRajoelina, izay hita ho misy akony any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny toe-draharaham-pirenena.
ENCADRE
Momba an’I Sareraka manokana hatrany, dia isan’ny fanontaniana napetrak’I Rossy ny mahakasika ny maha mbola tsy voaheloka na “presumption d’innocence. Angaha tsy misy sarin’i Sareraka ratsiratsy kokoa noho io gazety manohana fitondrana a? Angaha moa i Sareraka efa voaheloka no atao la Une ohatran’io ny sariny? Hoy ity olom-boafidin’ny IRD ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT