Depiote Razafitsiandraofa Jean Brunelle

> «Adivarotra sy paikady politika no misy eto»


  • Alatsinainy 24 Febroary 2014

Tsy tombontsoan’iza na iza ny mety hisian’ny krizy hafa eto amin’ny firenena, raha araka ny nambaran-dRazafitsiandraofa Jean Brunelle, solombavambahoaka voafidy tany Ikongo raha nanontaniana ny heviny mikasika ny olana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

Lohalaharana amin’izany ny ady misy eo amin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Nambarany fa na dia eo aza izany dia samy manana ny eritreritiny ny roa tonta. Samy mampiakatra izany ho ambony izy ireo, hoy izy mba hahatongavana amin’ny marimaritra iraisana ka hahatrarana ny tanjona tiana hokendrena. Ho azy dia adivarotra sy paikady politika no misy eto amintsika fa tsy olana mety hahatongavana any amin’ny krizy hafa akory. Mikasika ny fanendrena praiminisitra indray dia nambaran’ity solombavambahoaka ity fa mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Izay manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena, hoy ihany izy no tokony hanendry azy io ka tsy tokony hasiana resa-be intsony.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT