Nohamafisin’ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunelle solombavambahoaka voafidy tany Ikongo V7V
tamin’ny firesahana nivantana taminy izay voalazany tao amin’ny fandaharana manokan’ny televiziona tsy miankina iray eto an-drenivohitra tamin’ny herinandro lasa teo ka nanambarany manoloana ny resaka mandeha amin’ny mety hanendrena azy ho eo amin’ny toeran’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta atsy ho atsy. “Aleo aho, hoy izy, hijanona ihany ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza amin’ny maha-depiote ahy fa hanahirana olona maro ny hahatongavako amin’izay toeran’ny praiminisitra izany. Izaho mantsy mahatsapa, hoy izy, fa maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny tokony ho izy eto amin’ny firenentsika ity matoa 60 taona aty aorianan’ny niverenan’ny fahaleovantena mbola tahaka izao ihany no misy ny toeranan’ity firenena ity. Raha izaho mantsy no tonga eo amin’izany toerana maha-praiminisitra izany, hoy izy, dia tsy maintsy ny “formule” hapetrako izay somary henjakenjana mihitsy no hitondrako an’ity firenena ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.