Depiote Rasolonjatovo Honoré

> Manaiky izay praiminisitra voatendry eo


  • Alakamisy 06 Martsa 2014


Nilaza ny heviny mikasika ny fanendrena praiminisitra ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritanin’Antananarivo, Rasolonjatovo Honoré, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho ka nambarany fa tsy maintsy misy ny marimaritra iraisana ka tsy ho ela dia ho fantatra io olona io. Nambaran’i Papasolo fa tsy olana ho azy ny fivoahan’io Praiminisitra io na avy amin’ny PMP na MAPAR na hafa aza fa ny zava-dehibe dia afaka hiaraka hiasa amin’ny filoham-pirenena sy ireo andrim-panjakana misy izay voatendry eo. Nandritra ny lanonana nametrahana amin’ny toerany ny depioten’i Mandoto Andriamboavonjy Nantenaina  avy amin’ny antoko Harena no nilazany io heviny io omaly alarobia 5 martsa. Marihina moa fa samy mpikambana GPS (Groupe Parlementaire Spécial) ireto solombavambahoaka ireto.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT